Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fenoina ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra

Daty
Alakamisy 28 May 2026

Ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny,fahafenoan'Andriamanitra rehetra.» - Efes. 3:19.

Mofon’aina:
Izay mankato tanteraka sy tsy misy fepetra an'Andriamanitra ihany no mendrika ny fonenana any an-danitra. Fantatr'Andriamanitra fa tsy ho tsapantsika ny hasarobidin'ny fanomezany raha tsy milefitra tanteraka Aminy isika, ka manao izay anomezam-boninahitra Azy mandrakariva. ( ...)

Na manao ahoana na manao ahoana toe-po sy fironana nolovaina na fahazarana anananao, dia natao hovolavolaina araka ny ohatra avy any an-danitra ny toetra. Tsy misy fialan-tsiny azontsika atao raha mifikitra amin'ny ohatra sy ny endrika nofaritantsika ihany isika. Tsy afaka mitahiry ny «izaho» nefa sady hofenoina ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra isika. Tsy maintsy foanantsika ny tenantsika. Raha ho tonga any an-danitra isika amin'ny farany, dia satria nanda ny tenantsika ka nandray ny sauna amam-panahy ary ny sitrapon'i Jesosy Kristy. ( ...) Vonona ye isika handoa ny saran'ny fiainana mandrakizay?

Vonona handi-nika ye isika ka hanombantombana ny vidiny sy hamaritra raha mendrika ny hanaovana fahafoizan-tena toy izany ny lanitra, dia ny famonoana ny «izaho» sy ny fampileferana ny sitrapontsika hotefena hifandrindra tanteraka amin' ny sitrapon'Andriamanitra? Raha tsy mbola vita izany dia tsy hanandrana ny fahasoavan' Andriamanitra manova antsika isika.

Vantany vao manatona ny Tompo Jesosy ao anatin'ny fahafoanan'ny tenantsika isika mba hanao ny asany, dia hofenoiny amin'ny Fanahiny Masina ny banga ao anatintsika. Mahazo matoky isika fa homeny antsika ny fahafenoany. Tsy tiany ho very isika. Mihoatra noho ny fahamehan'ny filantsika an'Andriamanitra ny faniriany antsika hanokana ny momba antsika rehetra ho amin'ny fanompoana Azy. (...)

 Tsy misy fetra ny mandrakizay. Fohy ihany ny fiainantsika eto an-tarry (...). Koa ho amin'inona sy ho an'iza no ivelomantsika sy iasantsika? Ary inona no ho vokatr 'izany? 
Ilaintsika isan'andro ny fivavahan'i Jesosy Kristy. Voamarik'Andriamanitra avokoa izay rehetra ataontsika sy lazaintsika. Dinihin' izao tontolo rehetra izao sy ny anjely ary ny olona isika. (...) Natao haneho ny toetran'i Kristy ny fiangonany (...). Na nanana fironana tahaka antsika olombelona ihany aza Izy, dia tsy mba nilavo lefona teo anatrehan'ny fakam-panahy hanao fihetsika tsy madio, tsy manandratra, na tsy mahamendrika. — L. 27, 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal