Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.

Daty
Talata 02 June 2026

Mivoy fatratra ny fahaleovantena, ny fanaranam-po, ary ny fampivoarana ny tena manokana izao tontolo izao izay mifanohitra tanteraka amin'ny foto-kevitry ny fanjakan'Andriamanitra. Mahaliana fa mitovy ny teny voalohany nolazain'i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesosy, voarakitra ao amin'ny Baiboly. Hoy i Jaona: "Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra" - Mat. 3:1,2. Hoy kosa i Jesôsy: "Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara." - Mar. 1:14,15; (jereo koa ny Lao. 24:46,47). Samy niantso ny olona hibebaka i Jesôsy sy i Jaona satria efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Moa tsy manan-danja tahaka izany koa ye io hafatra io ho antsika ankehitriny?

Vakio ny Asa. 3:18,19. Nahoana no zava-dehibe ny fibebahana eo amin'ny dingan'nyfitomboanaara-panahy?Inonanoatao hoe "androfamelombelomana"?

Ny hamoram-po sy ny hatsaram-panahin'Andriamanitra no mitaona antsika hibebaka (Ram. 2:4). Misy dingana roa ny fibebahana: (1) ny alahelo noho ny ota ary (2) ny fanapahan-kevitra marina hiala amin'ny ota. Ao amin'ny Baiboly, ny fibebahana dia mifandray mandrakariva amin'ny famelan-keloka. Raha mibebaka marina isika dia mamela ny helotsika Andriamanitra. Tsotra! (1 Jao. 1:9; Apok. 3:19). "Ny Tampa tsy rnahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-pa lzy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra." - 2 Pet. 3:9. Eo am-panomanantsika ny fanahintsika ho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, dia omen'Andriamanitra fotoana isika handaminantsika ny fifandraisantsika Aminy.

Nijaly, maty. ary nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy mba hahafahany manao fahagagana eo amin'ny fiainantsika, amin'ny alalan'ny fahasoavany, rehefa mibebaka isika. Tsy tahaka an'izao tontolo izao izay milaza hoe: «efa mety tsara izao maha ianao anao izao, Andriamanitra kosa dia manasa antsika hitodika Aminy amin'ny fibebahana sy ny finoana (Asa. 20:21), ka hametraka ny tenantsika manontolo eo an-tanany mba hahafahany manefy sy mamolavola ny toetrantsika ho tsara araka ny endriny, mba ho vavolombelony isika (Jao. 15:2,8). Amin'izay isika vao mitombo sy mamoa voa mendrika ny fibebahana (Mat. 3:8).

"Tsy misy fibebahana tena izy ka tsy arahin'ny asa fanavaozana. Ny fahamarinan'i Kristy akory tsy fitafiana fanao ivelany hanaronana ny fahotana izay tsy tiana ny hiaiky azy sy hiala aminy; foto-kevitty ny fiainana izay manova ny toetra amam-panahy sy mifehy ny fitondrantena izany." IFM, t. 590.

Mitondra fiainana ny fibebahana (Asa. 11:18) ary ampahany manan-danja amin'ny fitomboana amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Amin'ireto dingana ireto: mametraka ny tenantsika eo an-tanan'Andriamanitra, mibebaka, ary mamela an'Andriamanitra hanefy antsika, inona no sarotra indrindra aminao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal