Matetika ny Baiboly no mampiasa fanoharana momba ny fambolena hanoritsoritana ny toetrantsika ara-panahy. Ohatra iray mahazava tsara nodinihintsika tamin'ity herinandro ity ny voalaza ao amin'ny Hôs. 10:12:
"Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinja araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehôvah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo."
Mamafy isika, mijinja, miasa ny tany mafy, ary mitady an'Andriamanitra mba hanakaiky antsika. Tsy maintsy amboarina sy omanina ho amin'ny firotsahan'ny ranonorana (ny Fanahy Masina) ny tanin'ny fontsika. Azon'Andriamanitra atao ny manome antsika faniriana hanomana ny tany, saingy raha ny marina, ny fifandraisana amin'Andriamanitra dia fiaraha-miasa (jereo ny Fil. 2:12,13). Tsy maintsy mitodika any Aminy isika, manatsotra ny tanantsika, ary mamikitra Aminy. Avy eo izy no miasa ao anatintsika hanao ny sisa.
Ato amin'ireto andininy ireto ny ohatra iray lehibe momba ny hevitry ny hoe mifikitra amin'Andriamanitra: "Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehôvah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan’i Jehôvah Andriamanitrao tsy ho eo aminao. Fa hianareo izay nifikitra tamin’ i Jehôvah Andriarnanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao."- Deo. 4:3,4.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. "Aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy" - Mat. 6:13. Nampianarin'i Jesôsy manokana ny mpianany hivavaka toy izany. Ary isika vemihazona izany toe-tsaina izany amin'ny vavaka ataontsika isan'andro? Impiry ianao no mivavaka mangataka fiarovana tsy ho azon'ny fakam-panahy sy ny fahotana?
2. Ahoana no hanazavanao amin'ny olona tsy Kristianina na vao niova fo ny amin'ilay fanomezan-tsarobidy, dia ny akanjom-pahamarinan'i Kristy?
3. Ahoana no ifandraisan'ny akanjom-pahamarinan'i Kristy amin'ny hafatra voizin'ny fitoerana marina, izay momba ny famelan'Andriamanitra ny heloky ny mpanota mibebaka sy ny fanadiovany azy? Hatraiza ny fahafantaranao ny hakanto sy ny hasarobidin'izany hafatra izany?