Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.

Daty
Alakamisy 18 June 2026

Isika rehetra dia samy efa nihozongozona, na tsy nahatoky, na matimaty teo amin'ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra. Inona no nampiverina anao ho amin'ny fifandraisana lalina Aminy?

Ahitana hafatra kanto momba ny fitondran'Andriamanitra ny olony miverina Aminy ao amin'ny Zak. 10.

Vakio miadana io toko io izao ary soraty ireo hevi-dehibe ao.

Eo amin'ny fiainana andavanandro, dia mety ho sarotra ny mifandray sy ny mifanerasera amin'ny havan-tiana izay naniasia niala tamin'ny Tompo. Mety mametra-panontaniana ianao hoe inona re no tokony ho natao ka tsy ho nahatongavana tamin'izao toe-zavatra izao e? Mety manontany tena ianao hoe ahoana no hifandraisana aminy izao, satria efa hafa ny fomba fijeriny; ary mety hahatsiaro ho diso fanantenana sy tsy afa-manoatra ianao manoloana ireo safidy ratsy mbola ataony hatrany. Hisy fiantraikany mandrakariva amin'ny fomba fifandraisanao amin'ilay havan-tianao ireo eritreritra ireo; noho izany dia zava-dehibe tokoa ny iainanao sy itenenanao avy amin'ny rakitra tsaran'ny fonao vokatry ny fiarahanao manokana amin'ny Mpamonjy.

Ny asehonao eo amin'ny fiainanao, ny fihetsikao, ny teninao, ary ny vavaka ataonao ho an'ny vadinao na ny zanakao izay niala tamin'Andriamanitra dia afaka manova tanteraka ny fiainany sy ny hoaviny. (Vakio ao amin'ny Lio. 22:31,32 sy ny Jao. 21:15-17 ny fomba nanovan'ny vavaka nataon'i Jesôsy ho an'i Petera ny hoaviny.) Apetraho eo an-tanan'Andriamanitra ny alahelonao, ny hevitrao, na ny fahatsapanao ny fahamelohan'izy ireo, ary angataho Andriamanitra hanampy anao hanana fitiavana ho solon'izany, izay lzy irery no afaka manome azy. Angataho Andriamanitra mba hatafiny anao ny toetrany mba hanehoanao toetra feno fitiavana sy fiheverana ny hafa. Tsarovy fa "tsy misy hery hafa izay afaka hanodidina ny fanahin'olombelona ho manan-kery tahaka ny hery miasa avy amin'ny fiainana tsy misy fitiavan-tena. Ny fonjan-kevitra mahery vaika indrindra manohana ny filazantsara dia ny kristianina be fitiavana sy mahate-ho tia."— TMF, t. 313.

Amin'ny alalan'ny ohatra asehontsika, ny fiainantsika mahatoky izay misarika ny hafa ho eo amin'i Kristy, dia hahita zavatra ao amintsika ireo izay nanda an'i Kristy, zavatra izay tsy maintsy ho avy amin'Andriamanitra irery Many. Hahita fiadanana mihoatra noho ny fahalalana rehetra izy ireo, fitiavana izay tsy mba mandao velively, ary fanantenana izay matoky na dia ao anatin'ny toe-java-tsarotra indrindra aza. Tsy miova na oviana na oviana ny fitiavan'Andriamanitra antsika sy ireo malalantsika. Azontsika zaraina amin'ny manodidina antsika io fitiavana io, izay raisintsika isan'andro.

Inona no ampirisihan'ny Efes. 3:17-19 antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal