"Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay." Isa. 32:17.
Mofon’aina :
Raha mamaly ny fanasana hanatona Azy ny olony, dia i Kristy no ambaran’ireo teny ireo. Izy no ho fiainana sy hery, tanjaka sy fahombiazana, fahendrena sy fahamasinana ho azy ireo. Miantso antsika Andriamanitra mba hiaina ny fiainan’i Kristy, ka haneho izany fiainana izany ami n’izao tontolo izao. – Rh, 24 Nôvambra, 1904.
Afaka, eny, afaka maneho fitoviana amin’ny Tompontsika masina isika. Azontsika atao ny mahafantatra ny siansan’ny fiainana ara-panahy. Afaka manome voninahitra Ilay nahary antsika isika. Nefa manao izany ve isika? Endrey ny hatsaran’ny ohatra ananantsika ao amin’ny fiainan’i Kristy tety an-tany! Nasehony antsika izay azontsika tanterahina amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’Andriamanitra. Tokony hokatsahintsika ilay firaisana ambarany amin’ny hoe: “Tomoera amiko ary Izaho aminareo.” – Jao. 15:4. Lalina, mafy orina, ary marina noho ny fifandraisana hafa rehetra izany, ary mamoa ny voa tsara rehetra. Izay miray amin’ny Mpamonjy toy izany dia fehezin’ny Sitrapony, ary asesiky ny Fitiavany hiaraka ory amin’izay ory, hifaly amin’izay mifaly, aiy hangoraka izay rehetra ao anatin’ny fahalemena, ny alahelo, na ny fahorian-tsaina.
Na aiza na aiza alehako, dia hampirisihiko ny olona hanandratra an’i Kristy hatrany. Tsy miova Izy omaly sy anio ary mandrakizay, mikatsaka hatrany izay mahasoa antsika, mampahery sy mitarika antsika hatrany, mitantana antsika isaky ny indray mandingana handroso. Mpisoronabe mahatoky Izy ankehitriny, mahatsapa ny fahalementsika — ary ho toy izany hatrany Izy rahampitso sy mandrakizay. Izy no mpitari-dalana, mpampianatra, mpanolotsaina, namantsika, izay tsy mitsahatra mitahy antsika ho valin’ny finoantsika. (...)
Fantatro fa rehefa mangataka ny fanampian’ny Tompo aho, dia tsy handà ahy Izy, satria ny hany faniriako dia ny hanao ny sitrapony sy hanome voninahitra ny anarany. Malemy aho, saingy ny fiankinako tanteraka Aminy no ahazoako hery. Mahazo fiononana sy fanantenana aho rehefa mametraka ny entako eo amin’Ilay Mitondra ny enta-mavesatra. Izao no faniriako — ny hahita fitsaharana maharitra eo an-tongony. Eo am-pamikirako ny tanany, dia mitarika ahy lavitra ny loza Izy. Andriamanitra velona no ho fifaliana sy firavoravoan’ny fanahiko. – RH, 6 Oktôbra 1904.