"Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy, mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany." - Sal. 139:14.
Mofon’aina:
Nomen'Andriamanitra fahaiza-manao sy tanjaka isika na ara-tsaina na ara-batana, izay adidintsika rehetra ny mikolokolo izany ho amin'ny tsara indrindra. Raha misy tonga osa noho ny fanaranam-po amin'ny filana, dia mihena ny hery tsara miasa avy aminy, ka tonga tsy lavorary ny tenany. Ny fanatitra sarobidy natao teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary ihany no ahafahantsika mahatakatra ny tombambidin'ny fanahin'ny olombelona. Nahazo tombony lehibe isika noho ny herin'i Jesôsy Kristy nanavotra antsika, ka azontsika atao ny ho afaka amin'ny fanandevozan'ny ota vokatry ny fahalavoan'i Adama.
Tokony hohararaotintsika tsara araka izay azo atao ireo fahaiza-manao sy talenta nankinin'Andriamanitra tamintsika. Na iza na iza mandemy sy manimba ny herim-batana, ny saina, ary ny fitondrantena amin'ny alalan'ny fandikan-dalàna eo amin'ny fomba fisakafo, ny fitafiana, ary ny fandikana ireo lalàna ara-pahasalamana amin'ny endriny rehetra, dia tsy maintsy hampamoahin'Andriamanitra ny amin' ny soa rehetra izay ho azony natao raha nankatô ny lalàna ara-pahasalamana izy ireo (...). Hoy Andriamanitra: "Tsy tampon 'ny tenanareo hianareo."
Fananan'Andriamanitra ianareo. Ny ain'ny Zanak'Andriamanitra no nanavotana anareo. (...)
Mifono hevi-dalina ny tenin'ny apostoly Paoly hoe: "Koa amin 'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon 'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak 'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin 'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon 'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. " - Rôm. 12:1,2. Tsy afaka manome voninahitra an'Andriamanitra izay olona mandoto ny tenany na ny fanahiny. Tsy maintsy ho masina sy tsy misy tsiny ny fanatitra atolotsika. Izany no fanompoam. pivavahana tsara hataon'ny tsirairay. Sahan ' Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra isika. (...)
Irin'Andriamanitra hanome voninahitra Azy ny momba antsika manontolo. – L, 90, 1898.