"Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny. " 1 Pet. 2:11.
Mofon’aina:
Misy fahambaniana manaitra eo amin'ny fomba firesaka amin'izao andro izao, izay maneho tsy fahamendrehana ara-tsaina sy ara-pitondrantena. Tsy fahita firy intsony ny toetra mendri-kaja, ny fahatsorana sy ny fanetren-tena. (...) Tsy ankasitrahan'Andriamanitra izany.
Manjary fahazarana ny fisainana ratsy ka manimba sy mandoto ny fanahy. Asa ratsy iray monja dia mame la diany tsy mety afaka raha tsy amin'ny alalan'ny ran'i Kristy ihany; ary raha tsy manapa-kevitra hiala amin'izany fahazarana izany isika dia ho voaloto ny fanahy ka handoto ny hafa ny rano miboiboika avy amin'izany loharano tsy madio izany.
Misy lehilahy sy vehivavy izay miantso fakam-panahy; mipetraka eo amin'ny toerana izay hahatonga azy alaim-panahy izy, dia eo amin' izay tsy ahafahany midify, ka miharoharo ao anatin'ny fiarahamonina ratsy. Ny fomba mety indrindra hiarovan-tena amin'ny ota dia ny fitandremana tsara eo am-panaovan-javatra amin'ny fotoana sy ny toe-javatra rehetra, ka tsy hanao na inona na inona tsy amim-piheverana. Aoka hanana fahatahorana an'Andriamanitra mandrakariva dia ho azonao antoka fa manao izay tokony hatao ianao. (...)
Tsy maintsy aompana amin'ny lohahevitra madio sy masina hatrany ny saina. Aoka hialana avy hatrany izay rehetra tsy madio, fa izay madio sy mampandroso no kolokoloina sy banjinina, mba hitombo hatrany ny fahalalanantsika an'Andriamanitra amin'ny fibanjinana ny zavatra any an-danitra. (...)
Manapaha hevitra ny hanatratra foto-kevitra ambony sy masina; ataovy ambony ny tanjonao; miasa amim-piniavana sy fahatokiana, tahaka ny nataon'i Daniela, amin'ny fomba tsy miovaova sy amim-paharetana, dia tsy hisy na inona na inona azon'ny fahavalo atao hanakanana ny fandrosoanao. Na eo aza ny fanelingelenana, ny fiovana, na ny zava-tsarotra, dia afaka mitombo hery ara-tsaina sy ara-pitondrantena hatrany ianao. — L, 26d, 1887.