"Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo." - 1 Pet. 5:10.
Mofon’aina:
Tonga lafatra ny toetra aseho eto, izay tsy maintsy ananan'ny olona mba ho mpianatr'i Kristy, ary lazain'ny tsy mpino fa tsy misy olombelona afaka ho tonga amin'izany. Kanefa tsy misy fenitra ambany noho izany tokony hasehon'izay rehetra mitonona ho zanak'Andriamanitra. Tsy fantatry ny tsy mpino fa misy fanampiana avy any an-danitra omena izay rehetra mikatsaka izany amim-pinoana. Efa nomena izay rehetra ilain'ny fanahy tsirairay maniry ny ho mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra sy ho tanteraka ao amin'i Jesosy Kristy. Tsy maintsy fantarina sy hesorina tsy misy indrafo ny fahalemen-toetra rehetra.
Ny vahoakan'Andriamanitra dia tokony hanao ny asany rehetra amim-panoloran-tena ho an'Andriamanitra. Tokony ho tsapany, isaky ny misakafo izy, fa mariky ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay azy izany. Ny fahavitan'ny adidy iray dia tokony ho fiantombohan'ny adidy manaraka eo anoloany. Araka izany, ny toetra kristianina dia miseho amin'ny fiainam-pankatoavana sy fanompoana an'i Jesosy Kristy mitohy.
Na inona na inona asa sy raharaha ataon'ny olona, raha Kristianina izy
ireo dia tsy maintsy mitondra ny ziogan'ny adidy ho an'i Kristy. Izany no nanaovany voady. (...) Nametraka ny ziogany teo amin'ny mpianatra tsirairay ny Tompo Jesosy Kristy. Ny fanomezan-toky hanompo Azy eo amin'ny fiainana manontolo dia midika ho fanekena hitondra ny ziogany. Tsy maintsy ialana izay rehetra manakantsakana ny fahalavorarian'ny fanompoany an'Andriamanitra, na inona na inona endrika isehoan'izany. (...)
Ninia nampiray ny Tenany sy ny fombany tamin'ny maha-olombelona ny Tompo, mba hahatonga Azy ho hitantsika mazava ka ho azontsika banjinina sy tiavina. (...) I Kristy no fahazavan'ny lanitra. Hahita an'Andriamanitra eo amin'ny endriny isika. Tsarovy ny vavaka nataon'i Kristy, dia mba ho iray Aminy ny olony, tahaka ny maha-iray Azy amin'ny Ray, mba ho any Aminy any amin'izay itoerany koa izy ireo ka hahita ny voninahiny. – L, 117, 1896.