Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitady an'i Jehôvah amin'ny fo rehetra

Daty
Zoma 12 April 2024

 "Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, hianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho." - Zak. 9:12.

Mofon’aina :
Ilaintsika ny mitaiza ny fanahintsika hifikitra mafy amin'ireo teny fikasan'i Kristy. Fantatr'i Jesôsy Tompo fa tsy vitantsika ny hanohitra ny fakam-panahy maro alefan'i Satana raha tsy manana ny hery avy amin'Andriamanitra isika. Fantany tsara fa raha ny herin'ny tenantsika ihany dia azo antoka fa ho resy isika. Koa nomeny avokoa izay rehetra ilaintsika, ka isaky ny misy fahamehana sy fitsapana dia hahita fiarovana mafy isika. (...) Manana ny teny fikasana avy amin'ilay molotra tsy mba mandainga isika. (...) Tsy maintsy mikolokolo ny finoana isika tsirairay fa ho azontsika tokoa izay efa nampanantenainy antsika. 
Ho tonga zavatra rehetra ho antsika Andriamanitra raha avelantsika. Tsy ahazoantsika tombontsoa avy any an-danitra velively ny vavaka tsy misy aina sy tsy tena amin'ny fo ataontsika. Tena ilaintsika ny fikirizana rehefa mangataka isika! Mangataha amim-pinoana, miandrasa amim-pinoana, mandraisa amim-pinoana, mifalia amin'ny fanantenana, fa izay rehetra mitady no hahita. Aoka hafana fo amin' izany isika. Katsaho amin'ny fo rehetra Andriamanitra. Manao ny ezaka rehetra amin'ny fony sy ny sainy ny olona mba hahazoany fahombiazana ara-nofo eto amin'ity fiainana ity. Ianaro tsara amim-pahamatorana koa ny mikatsaka ireo harem-pitahiana nampanantenain'Andriamanitra, ka miezaha amim-paharetana sy fahavononana, diaho azonao ny fahazavany sy ny fahamarinanay ary ny harem-pahasoavany. 
Mitalahoa fatratra amin'Andriamanitra, amin'ny fo mahitsy sy fanahy mangetaheta. Mitoloma amin'ny anjely avy any an-danitra mandra-pahazoanao ny fandresena. Apetraho eo an-tanan'ny Tompo ny momba anao rehetra, ny fanahinao sy ny tenanao ary ny sainao, ka meteza ho mpanompony be fitiavana sy feno fanoloran-tena, tarihin'ny sitrapony, fehezin'ny sainy ary heniky ny Fanahiny.                                                                                                                
Ambarao amin'i Jesôsy izay ilain'ny fanahinao marina. Tsy ny hifandahatra maharitra na hitoriteny amin'Andriamanitra tsy akory no takina aminao, fa ny hilazanao amin'ny fo malahelo noho ny ota manao hoe: "Vonjeo aho Tompo ô, sao very". Misy fanantenana ho an'ny fanahy toy izany. Hikatsaka izy, hangataka, handondona, ary dia hahita. Ho fantatrao ny fitahian'ny fiadanan'i Kristy rehefa esorin'i Jesôsy tsy hanorotoro ny fanahinao ny entam-pahotana mavesatra. — OHC, t. 131.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal