"Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy." Sal. 144:12.
Mofon’aina:
Aoka ny ray aman-dreny tsy hanadino ny iraka lehibe izay mipetraka eo anoloany. Isaky ny zaza iray ankinina amin'ny reny, dia manana asa masina hosahanina avy amin'Andriamanitra izy. "Raiso ity zaza ity" hoy ny Tompo "ary tezao ho Ahy. Voleo toetra tsara izy, ataovy toy ny lapa, mba hamirapiratany eo an-kianjan'Andriamanitra mandrakizay." – RH, 23 Novambra 1905.
Aoka hanapa-kevitra toy izao ny olona tsirairay ao amin'ny ankohonana: Ho Kristianina aho, ao amin'ny sekoly et, an-tany no tsy maintsy hamolavolako toetra izay hahafahako miroso ho amin'ny dingana ambony kokoa, dia Hay sekoly any ambony. Tsy maintsy ataoko amin'ny hafa izay iriko hataony amiko.
Ataovy izay hampitovy ny fiainana ao an-tokantrano amin'ny fiainan-danitra (...). Aoka tsy hohadinoin'ny tsirairay ao amin'ny ankohonana, rehefa mivory manodidina ny alitaran'ny mpianakavy izy ireo, ny mivavaka ho an'ireo izay manana andraikitra eo amin'ny asan'Andriamanitra. Mila ny vavakareo ny mpitsabo ao amin'ny tobim-pahasalamantsika, ny mpitory ny filazantsara, ary ny mpiandraikitra ny trano famoaham-boky sy ny sekolintsika. Alaim-panahy sy mandalo fisedrana izy ireny. Rehefa mangataka ny fitahian'Andriamanitra ho azy ireo ianareo, dia ny fonareo koa manjary milefitra sy malefaka noho ny fahasoavany. Miaina ao anatin'ny fotoan-tsarotra farany isika, ka tokony hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, ary hitafy ny akanjom-pahamarinan'i Kristy. - RH, 28 Janoary 1904.
Ranadahy sy rahavavy, manasa anareo aho hiomana ho amin'ny fiavian'i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. Ataovy ezaka isan'andro ny tsy ho tia izao tontolo izao. Fantaro amin'ny fanaovana fanandramana ny atao hoe manana firaisana amin'i Kristy. Miomana hiatrika fitsarana, mba ho isan'izay hitsena Azy amin'ny fiadanana ianareo rehefa tonga i Kristy (...). Amin'izany andro izany, (...) mitendry lokanga volamena ireo anjely eo am-pandraisana ny Mpanjaka sy ny amboaram-pandreseny — dia ireo izay nosasana sy nofotsiana tamin'ny ran'ny Zanak'ondry, (...) izay vavolombelona fa tsy very maina ny iraka notanterahiny tao anatin'ny fahoriana sy ny fahafoizana ny ainy. -RH, 23 Novambra 1905.