"Fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika." - 2 Pet. 1:11.
Mofon’aina:
Aoka ny ray aman-dreny handalina ny toko voalohany amin'ny Epistily faharoa nosoratan'i Petera. Ao no anehoana ny fahamarinana ara-Baiboly amin'ny endriny kanto indrindra. Mampianatra antsika izany fa ny fanandramana kristianina dia tokony ho fitomboana tsy mitsahatra, fandraisana lalandava fahasoavana sy fahendrena izay hanatanjaka ny toetra sy hanomana ny fanahy ho amin'ny fiainana mandrakizay. (...)
Tombontsoan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny miara-mitombo amin'ny fahasoavan'i Kristy. Izay rehetra manaraka ny fepetra napetraka ao amin'ny Teny dia hahazo izay rehetra ilainy ara-panahy sy hery handresena. (...) Ny andrasan'ny Tompo amin'ny ray aman-dreny dia ny hiezahan'izy ireo fatratra, amim-piraisan-kina, hanabe ny zanany ho Azy. Ao an-tokantrano no tokony hanolokoloan'izy ireo ny vokatry ny Fanahy, ka hanekeny Azy amin'ny lalany rehetra, Izy Izay nanome toky fa ho voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra isika, amin'ny alalan'ny fanamasinana avy amin'ny Fanahy. (...)
Moa ve ny vahoaka izay manana hafatra fehibe hotorina momba ny famonjena izao tontolo izao, tsy hanao ezaka mihitsy na hanao fa kely monja ho famonjena ireo olona izay tsy mbola niova fo ao amin'ny ankohonany? Hamela ny sainy hifantoka amin'ny zava-poana ye ny ray aman-dreny ka hanao tsirambina ilay fanontaniana manan-danja lehibe hoe: "Vonona hitsena ny Tompo ye ny ankohonako?" Ekeny ye ireo fahamarinan-dehibe izay fahamarinana ankehitriny ho an'izao andro farany izao, ka faniriany ny hielezan'izany hafatra izany any amin'ny firenena sy tany samy hafa, nefa ny zanany, izay fananany sarobidy indrindra, avelany amin'izao, tsy mahazo fampitandremana ny amin'ny loza mananontanona azy, ary tsy vonona hiatrika ny ho avy? Moa ye ireo izay nandray fahazavana tsara momba ny adidiny araka ny Tenin'Andriamanitra sy ny Fanahin'ny faminaniana, hamela ireo taona handalo fotsiny ka tsy hanao ezaka matotra hamonjena ny zanany?
Miandry izay olombelona hiara-miasa Aminy i Kristy, mba hahafahany miasa ao am-pon'ny ankizy sy ny tanorantsika. - RH, 12 Oktobra 1911.