Teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristianina, dia samy nandalina ny Testamenta Vaovao na ny teolojianina na ny pasitora na ny laika, mba hamaritana izay tokony ho toetry ny fiangonana. Mahatalanjona antsika, ohatra, ny fiangonana tamin'ny andron'ny Apostoly. Saingy matetika isika no manadino singa iray manan-danja: manana olana ny olona. Azo heverina fa hitantsika ao amin'ny Testamenta Vaovao koa izay lazain'ny Baiboly mikasika ny tsy tokony ho toetry ny fiangonana. Ny epistily nosoratan'i Paoly ho an'ny Korintianina no teboka tsara hanombohana izany.
Vakio ny 1 Kor. 5:1-13. Inona ny toe-javatra mamohehatra resahin'i Paoly ao amin'ireo andininy ireo, ary nahoana izany no mampanahy fatratra?
Ny teny hoe "ny vadin-drainy" - 1 Kor. 5:1 dia maneho fa momba ny firaisana ara-nofo mampifamotitra, eo amin'ny lehilahy iray sy ny renikeliny, no resahin'i Paoly eto. Azo inoana fa ny "avy amin'ny ankohonan'i Kloa" no nitatitra momba izany tamin'i Paoly (1 Kor. 1:11). Ny firaisana ara-nofo atao amin'ny olom-pady dia heverina ho fahotana tena ratsy tokoa ka "na dia amin'ny jentilisa aza" dia tsy nankasitraka izany (1 Kor. 5:1). Indro anefa fa ahitana izany teo amin'ny fiangonana kristianina voalohany. Asehon'ny tenin'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 5:1, 2 ny fahatairany manoloana ny tatitra milaza fa manao izany ny mambra iray ao amin'ny fiangonana.
Niharatsy anefa ny toe-javatra. Vao mainka gaga i Paoly raha nandre fa tsy mba nalahelo noho ny amin'izany ireo Korintianina fa nirehareha aza noho ny fandeferany manoloana ny fahotana tahaka izany (1 Kor. 5:1, 2). Araka izany, dia tsy ilay lehilahy ratsy fitondrantena ihany no niriny hahitsy fa ny fiangonana ihany koa, noho ny tsy fifanarahana niharihary teo amin'ny finoana sy ny fampiharana. Tsy mitsaha-milaza mazava i Paoly fa mendri-pananarana ny fiangonana noho ny nandeferany manoloana ilay lehilahy mandry amin'ny renikeliny. Ahoana indray ny amin'ny hoe mirehareha momba ny toe-javatra mamohehatra toy izany, eny midera tena noho ny amin'izany mihitsy aza (1 Kor. 5:2, 6)? Tafahoatra izany ka tsy zakan'i Paoly intsony. Inona loatra no nanjo ireo olona ireo?
Tsy fantatsika ny antony nahatonga ny fiangonana tany Korinto nandefitra manoloana io lehilahy nanao zava-mamoafady io. Angamba mambra nanan-karena izy ka nandrasain'ny fiangonana tombontsoa? Na koa angamba, satria ny "zavatra rehetra azoko atao"- 1 Kor. 6:12, ka tsy nihevitra izany ho fahotana ny fiangonana? Tsy fantatsika ny valin'izany.
Na inona na inona antony, dia tonga jamba manoloana ny fandikana miharihary ny Soratra Masina izy ireo (Lev. 18:7, 8). Ary izy ireo indray va no mirehareha ny amin'izany?
Inona ny zavatra raràn'ny Soratra Masina mazava nefa isika fiangonana tandindomin-doza satria mandefitra manoloana izany, noho ny "fitiavana" sy ny "fitadiavana ny fanka sitrahan'ny hafa"?