Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitombo amin'ny fahasoavana

Daty
Alakamisy 18 April 2024

"Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay." - 2 Pet. 3:18.

Mofon'Aina:
Ahoana no hahatonga antsika hitombo amin'ny fahasoavana? Tsy ho tanteraka amintsika izany raha tsy foanantsika ao am-pontsika ny izaho, ka atolotsika ny lanitra ny fontsika mba hovolavolaina hanahaka ny an' Andriamanitra. Azontsika atao ny mifandray amin'Ilay loharanon 'ny fahazavana, ny ho velombelomin'ny andon'ny lanitra, ka hirotsahan'ny ranonorana avy any an-danitra. Raha raisintsika ny fitahiana avy amin'Andriamanitra, dia afaka handray fahasoavana amin'ny fatra lehibe kokoa isika. 
Toy ny ankizy kely, dia aoka hipetraka eo an-tongotr'i Jesôsy isika, ka hianatra Aminy. (...) Tsy tokony hisy andro iray havelantsika handalo fotsiny, ka tsy hahazoantsika mitombo amin'ny fahalalana ny amin'ny zavatry ny tany sy ny zavatra ara-panahy. (...) Ny fanabeazana ambony indrindra dia avy amin'ny fanazarana ny saina handroso isan'andro. (...) Tokony hihamasaka isan'andro ny fahalalantsika. (...) Raha mibanjina an' i Jesôsy isan'andro isika, fa tsy mijery ny zava-bitantsika, dia handroso tokoa amin'ny fahalalana, na ny amin'ny zavatry ny tany, na ny amin'ny zavatra ara-panahy. 
Efa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra. Aoka tsy havelantsika hanakana antsika tsy hiasa ny zavatra nataontsika tamin'ny lasa. Hoy Ilay Kapitenin'ny famonjena antsika: "Mandrosoa, fa avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona." Aoka isika hitombo amin'ny tsara. Aoka ho eo ambany fahefan'i Kristy mandrakariva ny fiainantsika. Aoka hirehitra sy hazava mandrakariva ny fanilontsika (...). Izay mametraka ny tenany eo amin'ny toerana izay ahafahan'Andriamanitra manazava azy dia handroso; toy ny andro vao mangiran-dratsy izay mihamazava mandra-pibaliaky ny masoandro amin'ny mitataovovonana. 
Tsy maintsy ilofosantsika ny fampiasana ny hozatsika rehetra ara-panahy (...) Tsy tian’Andriamanitra hitoetra ho zaza vao hatrany ianao, izay tsy ampy traikefa. Iriny ny hahatraranao ny zana-tohatra avo indrindra, ka hanaovanao dingana miala avy eo ho amin'ny fanjakan'i Jesôsy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. - OHC, t. 217. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal