Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manandratra avo ny faneva

Daty
Sabotsy 20 April 2024

"Mivoaha, mivoaha amin 'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangana faneva ho tazan'ny firenena." — Isa. 62:10.

Mofon’Aina: Tsy ireo foto-kevitra lehiben'ny fahamarinana sy ny adidy   izay tokony hitondra ny fiainantsika ihany no asehon'ny Tenin'Andriamanitra, fa hita ao koa, ho fampaherezana antsika, ny tantaran'ireo olona maro nampihatra izany foto-kevitra teo amin'ny fiainany. (...) Ankoatra Ilay modely tokana sady tonga lafatra, dia tsy misy olona voatantara ao amin'ireo takilan'ny Soratra Masina ka azo ampitahaina amin'i Daniela mpaminany. Na teo anatrehany avokoa aza ireo zava-manintona rehetra tao an-dapan'ny mpanjaka nandritra ny fahatanorany dia tonga lehilahy mahatoky sy feno fanoloran-tena ho an'Andriamanitra izy. Nanjohy azy mandrakariva ny fakam-panahy mahery vaikan' i Satana, kanefa tsy mba nihozongozona ny toetrany (...). Nijoro tsara izy teo amin'izay mety ho nahalavo ny maro (...). Enga anie ho velona ao am-pon'ny vahoakan' Andriamanitra ankehitriny io finoana sy fahatokiana ary fanoloran-tenan'i Daniela mpaminany io. Amin' izao andro izao indrindra no Lena ilana ireo lafin-toetra mendrika ireo. (... )

Rehefa dinihina indray ny voasoratra momba ireo izay niasa sy niari-pahoriana noho ny anaran'i Jesôsy , dia tsy misy anarana mamirapiratra madio tahaka ny anaran'i Paoly, apostolin'ny Jentilisa. Ny fitiavan'i Jesôsy namirapiratra tao am-pony no nahatonga azy nanadino ny tenany sy nanana fandavan-tena. Efa hitany ilay Kristy natsangana tamin'ny maty, voasokitra tao amin'ny fanahiny ny sarin' ny Mpamonjy ka namirapiratra teo amin'ny fiainany. Tamin'ny finoana sy herim-po ary fahavononana tsy resin'ny loza na nihazohazo teo anatrehan'ny sakantsakana no nandehanany nitety tany samihafa nizara ny fahalalana ny hazo fijaliana. (...) 

Mampihatra ny foto-kevitry ny finoany toy izany koa ve ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy? Aiza ireo fanandramana lalina sy velona ary masina, izay nahazatra ny olon'Andriamanitra ny nitantara azy? Moa ve nampidinina ny fanevan'ny fivavahana kristianina? Tsia; fa mbola mitoetra eo amin'izay nametrahan'Andriamanitra azy ihany izany. Namoy ny zava-drehetra ho an'i Kristy ireo olo-masina fahizay, nandala ny toe-tsainy ary nanaraka ny ohatra nasehony. Tsy latsak'izany koa no takina ankehitriny. — OHC, t. 249. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal