Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery ho an'ny malemy

Daty
Alarobia 14 October 2026

  "Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro." - Apôk. 3:2.

Mofon’aina:
Maro no eo ambavahoan'ny fahafatesana ara-panahy, ary miantso antsika ny Tompo mba hampahery azy ireo. Tokony hiray tanteraka ao anatin'ny fatoran'ny fifandraisana kristianina ny vahoakan'Andriamanitra, ary tokony hampahantanjahina ao amin'ny finoana amin'ny alalan'ny fifampiresahana matetika momba ireo fahamarinana sarobidy natolotra azy ireo. (...) 

Misy hery ara-panahy ho an'izay rehetra hikatsaka izany amin-kafanam-po sy fahatapahan-kevitra. Ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra izy ireo, satria niara-niasa tamin'Andriamanitra. Hisy hery miasa mangina homena azy ireo, izay hampitomboina arakaraka ny ampiasany tsara izany. Arakaraka ny haben'ny faniriany hariao ny sitrapon'Andriamanitra ny halehiben'ny hery omena azy. (...)

Araka ny voalazan'i Jesosy, ny Ray dia vonona kokoa hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka Aminy, mihoatra noho ny fahavononan'ny ray aman-dreny hanome zava-tsoa ho an'ny zanany. (...) Tsy misy fetra ny fitahiana azon'Andriamanitra atolotra. Tsy haintsika takarina ny haavony sy ny halaliny, ary ny sakany. Vonona hanampy ireo izay mahatsapa ny tsy fananany fahendrena sy manatona mivantana eo amin'Ilay Loharanon'ny fahendrena ny lanitra manontolo. (...) Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory. (...) Izay mifikitra amin'ny teny fikasana, izay mahatsapa ny fahantrany ka feno fikirizana, no mandray fahendrena avy any ambony. (...)

"Kanefa misy olona vitsy atp aminao al)) Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika izy." — and. 4. Noho ny finoan'izy ireo no nahazoany izany voninahitra izany. Tsy nirehareha izy ireo teto amin'ity fiainana ity, na nanolotra ny fanahiny ho amin'ny zava-poana. (...) Ny faniriany tokana dia ny ho tahaka an'i Kristy. Nasandrany avo hatrany ny fanevan'ny fahamarinana. Homena voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay izy ireo, satria niara-nandeha tamin'Andriamanitra tetSi ambonin'ny tany, niaro ny tenany tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao, ary nanambara ny faharnarinan'i Kristy tamin'ny mpiara-belona taminy. — RH, 10 Aogôsitra 1905.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal