"Fa Jesôsy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan 'Andriamanitra! Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan 'Andriamanitra. " - Mar. 10:24,25.
Mofon’aina:
Drafitr 'Andriamanitrany hampiasana ny harena araka ny tokony ho izy: hozaraina mba hanampiana ny sahirana ary hampandrosoana ny asan'Andriamanitra. Raha tian'ny olona mihoatra noho ny namany ny hareny, mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra na ny fahamarinana ao amin'ny Teniny, raha ao amin'ny hareny ny fony, dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay izy. (...) Eo no izahan-toetra ny fanahy; ary tahaka ilay tovolahy mpanankarena, maro no mandeha amin'alahelo satria sady tsy mahafoy ny hareny no te hahazo ny haren'ny lanitra koa, nefa tsy afaka hanana azy roa. (...)
« Ny zavatra rehetra dia hain 'Andriamanitra» - and. 27. (...) Handroaka ny fitiavan-karena ao am-pon'ny olona ny fahamarinana izay apetraky ny Fanahin'Andriamanitra ao am-pontsika. Tsy afaka miara-mitoetra ao anatin'ny fo ny fitiavana an' i Jesosy sy ny fitiavam-bola. Mihoatra lavitra noho ny fitiavam-bola ny fitiavana an'Andriamanitra, hany ka miala amin'ny harena ny fon'ny manana azy, ary mifindra ho amin'Andriamanitra ny fitiavany. Manjary te hanampy ny mahantra sy hanohana ny asan'Andriamanitra izy noho ny fitiavany. Ny mitantana amim-pahatokiana ny fananan'ny Tompony no manome azy fahafaham-po lehibe indrindra. (...) Dia toy izany no ahafahan'ny mpanankarena miditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. (...)
Misy ireo manome avy amin'ny haben'ny fananany, nefa tsy mahatsiaro ho ory zavatra. Tsy tsapany amin'ny fanandramana iainany izany fandavan-tena ho an'ny asan'i Kristy izany. Manome amim-pahalalahan-tanana sy amin'ny fony manontolo izy, nefa mbola manana izay rehetra mety hirin'ny fony. Mihevitra izany Andriamanitra. Ny asan'izy ireo sy ny antony manesika azy dia voamariny tsara avokoa, ary tsy ho very ny valim-pitiany.
Nefa tsy manana fialan-tsiny ireo izay sahirana kokoa mba tsy hanomezana tahaka ny hafa. Ataovy izay vitanao. Mahafoiza tena ho an'ny asan'Andriamanitra, tahaka Hay mpitondratena mahantra (...). Ho hitanao tokoa ny hamamin'ny fandavan-tena, ny fanomezana ho an'ny malahelo, ny fahafoizan-tena ho an'ny fahamarinana, ary ny mamory harena any an-danitra. — RH, 16 Septambra 1884.