"Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin 'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan 'Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany." - Kol. 3:1,2.
Mofon’aina:
Mety manantena zava-dehibe tokoa isika ny amin'ireo zavatra momba ity fiainana ity, nefa ho diso fanantenana isika. Ho hitantsika fa mihalevona izany. Nefa misy «lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo» - I Pet. 1:4. Mila mifantoka amin'ny zavatra maharitra mandrakizay ny saintsika, fa tsy amin'izay levona ihany rehefa ampiasaina. (...)
Rehefa tonga teto amin'izao tontolo izao i Kristy, dia hitany fa nesorin'ny olona tsy ho ao anatin'ny kajiny ny hoavy mandrakizay. Tonga Izy haneho izany fiainana miandry antsika izany, mba hanova ny fijerintsika ny zavatra momba izao fiainana izao ny fibanjinana izany, mba hifantoka amin'ny zavatra any ambony ny saintsika, fa tsy amin'ny zavatra ety an-tany, izay ho levona faingana. Ezahin'i Kristy esorina ny aloka izay nataon'i Satana eo anelanelan'ny fanahintsika sy Andriamanitra, mba ho tonga mazava ny fahitantsika an'Andriamanitra sy ny mandrakizay. Tsy hoe tsinontsinoavin'Andriamanitra izao tontolo izao, fa apetrany eo amin'ny toerana tokony hisy azy, eo ambanin'ny fifehezany. Avy eo, asehony antsika ny lanjan'ny zavatra mandrakizay raha mitaha amin'izany, mba hibanjina ny tsy hita amin'ny mason'ny finoana isika. Mahasarika ny fo sy ny saintsika ireo zavatra ara-nofo mandalo, koa zava-dehibe ny hanazarantsika sy hanabeazantsika mandrakariva ny saintsika hifantoka amin'ireo zavatra maharitra mandrakizay. Hanjary feno alahelo ve isika noho izany? Sa hanjary feno zava-tsarotra ny fiainantsika eto an-tany? Tsia, mazava loatra fa tsia. (...) Arakaraka ny fanandramana iarahantsika amin'ny Fanahin'Andriamanitra sy ny fahasoavany isan'andro, no hihenan'ny ady manahirana antsika, hitomboan'ny fahasambarantsika, ary hizarantsika izany amin'ny hafa koa. - RH, 8 Marsa 1892.
Tsy nataon'Andriamanitra hamesatra antsika ny mandrakizay ka hahatonga antsika tsy ho afaka hanao ireo adidy eto amin'ity fiainana ity, ary tsy hitranga velively izany raha zarintsika hifantoka amin'ireo lohahevitra momba ny mandrakizay ny saintsika, sady tanterahintsika koa ny adidintsika isan'andro. — RH, 2 Febroary 1897.