"Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-keg hamonjy izay manana fo mahitsy aminy." - 2 Tant. 16:9.
Mofon'aina:
Any amin'ny toerana rehetra, na faritra lavitra na akaiky kokoa ny fonenantsika, dia misy lehilahy sy vehivavy matahotra an'Andriamanitra izay mikatsaka ny fahamarinana. Fantany fa misy Andriamanitra; manandratra vavaka Aminy izy; mitoky Aminy izy; tahaka ny ataon'ny Kristianina mihitsy no ataony. Ianarantsika avy amin'ny tantaran'i Kornelio (Asa. 10) fa hotarihin'Andriamanitra izay rehetra manaiky hotarihiny. Nitarika an' i Kornelio Izy. Nikasika ny fon'ny mpanompony izay nivavaka Izy. Nanomanaazy handray ny fahazavan'ny fahamarinany Izy, ary olona iray izay efa nandray ny fahazavana avy any ambony no nofidiny hampahazava ny sain'i Kornelio. (...) Voamariky ny Tompo ny asan'i Komelio rehetra. Hitan'ny lanitra manontolo ny asa fiantrana sy ny fivavahan'ity kapiteny tia an'Andriamanitra ity. (...)
Toy izany koa ankehitriny. Manara-maso ny fanahy rehetra mikatsaka Azy ny Tompo. Mihevitra ny fanahy tsirairay mila fanampiana Izy, ary tsy misy avelany hitoetra ao 'anatin'ny haizin'ny fahadisoana na dia iray aza, fa tarihiny tsikelikely kosa ho eo amin'ny fahazavana fenon'ny fahamarinana izay mamirapiratra avy eo amin'ireo pejin'ny Soratra Masina. (...) Hitany ny asantsika tsirairay. (...) Endrey ny hamoram-panahy sy ny fitiavan'Ilay Mpiandry ondrintsika lehibe antsika! Amim-pahalianana fatratra no anarahany maso ny ondry andrasany avy eo amin'ny seza fiandrianany, ary omeny fahasoavana sy hery izy ireo. (...)
Mifandray tsy tahaka amin'ireo lehilahy sy vehivavy eto an-tany ny anjelin'ny lanitra. Tsy mahita maso mivantana azy ireo manodidina antsika isika; nefa miaraka amintsika izy, mitarika sy manoro lalana. Tokony hanaiky hotarihin'ny Fanahin'Andriamanitra tanteraka isika mba ho mora handray ny toroheviny.
Isaky ny te hiteny na hanao zavatra ho fanampiana ny olombelona toa antsika isika, dia tokony ho vonona hanaiky avy hatrany ny fampirisihan'ny Fanahy Masina. Tsy ho vonona hanao izany isika raha tsy ao anatin'ny fifandraisana ety amin'Andriamanitra. Ny asa fiantrana, ny vavaka amin'ny fo, dia tsy inona fa famantarana maneho fa manao ny asan'ny Kristianina isika, ary mampilefitra ny saintsika hiasan'ny Fanahin'Andriamanitra Izay mamolavola azy. — Ms, 126, 1902.