Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpisolovava mitafy ny toetrantsika

Daty
Alatsinainy 06 May 2024

"Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesôsy Kristy, Ilay Marina."- 1 Jao. 2:1.   

Mofon'Aina:   
Tsy misy fetra ny fanendren'Andriamanitra sy ny fanohanany antsika. Ilay mamela antsika hiantso Azy hoe Ray no mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana. (...) Nametraka Mpisolovava mitafy ny toetrantsika Izy eo amin'ny Alitarany. Amin'ny maha-Mpanalalana antsika an'i Kristy dia anjara asany ny mitondra antsika eo amin'Andriamanitra amin'ny maha-zanakalahy sy zanakavaviny antsika. Manao fanelanelanana ho an'ireo izay mandray Azy Izy. Tamin'ny rany no nandoavany ny onitra ho avotra ho azy ireo. Noho ny fahamendrehany no nanomezany azy ireo fahefana ho tonga ankohonan'ny Mpanjaka, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. Ary asehon'ny Ray ny fitiavany mandrakizay an'i Kristy amin'ny fandraisana sy ny fanekena ireo sakaizan'i Kristy ho Sakaizany. Afa-po amin'ny fanavotana vita Izy. Omem-boninahitra Izy amin'ny alalan'ny fahatongavan'ny Zanany ho nofo, ny Fiainany, ny Fahafatesany ary ny Fanelanelanana ataony.

Misandratra any amin'ny Ray amin'ny anaran'i Jesôsy ny vavaka ataontsika. Manao fanelanelanana ho antsika i Kristy, ary ny Ray kosa dia mandrotsaka ny harem-pahasoavany mitafotafo ho antsika, mba hifaliantsika sy hizarantsika izany amin'ny hafa. (...)

I Kristy no rohy mampifandray ny olombelona amin'Andriamanitra. (...) Ny fahamendrehan'ny fahamarinany manontolo mihitsy no ampombany izay manao fitarainana. Manao fangatahana ho an'ny olona i Kristy, ary ny olona izay mitady ny fanampian'Andriamanitra kosa dia manao fangatahana ho an'ny tenany eo anatrehan'Andriamanitra, ka mampiasa ny fahefan'Ilay nanolotra ny ainy ho an'izao tontolo izao. Fofo-manitra no miara-miakatra amin'ny fangatahantsika eo anatrehan'Andriamanitra rehefa miaiky sy manaiky ny fahamendrehan'i Kristy isika. Rehefa manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahatsaran'ny fahamendrehan' Ilay Mpanavotra isika dia apetrak'i Kristy eo anilany, ny tanana maha-olona Azy no hamihinany antsika ary ny tanana maha-Andriamanitra Azy kosa mihazona ny seza fiandrianana mandrakizay. Apetrany eo an-tanantsika, tahaka ny ditin-kazo mani-pofona eo amin'ny lovia fandoroana ditin-kazo, ny fahamendrehany, mba hanohanana ny fangatahantsika. (...)

Eny tokoa, efa tonga mpanelanelana am-bavaka ny olona amin'Andriamanitra i Kristy. Izy koa no mpanelanelana ny olombelona amin'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona fitahiana. - TMK, t. 76. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal