Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toetra volamenan'ny Kristianina

Daty
Sabotsy 15 June 2024

  "Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena." - Ohab. 22:1.

Mofon'aina:

Mety haniry laza sy voninahitra ny olona. Ho an'ny sasany, ny fananana trano sy tany maro ary vola be, izay hahazoany fahalehibiazana araka izao tontolo izao, no faniriany ambony indrindra. Tian' izy ireo ny ho eo amin'ny toerana izay ahafahany mianjonanjona amin'ireo mahantra noho ny fahamboniany. Ny toa azy ireny no manorina ambonin'ny fasika, ka ho rava tampoka ny tranon' izy ireo. (...) Ny fahalehibiazana ara-panahy eo imason'Andriamanitra ihany no mendrika hokatsahina. Mety tsy ho fantatrao mandrakizay ny tena toetra sy ny fahambonian'ny asanao. Tsy fantatrao ny tombam-bidin'ny tenanao raha tsy ampitahainao amin'ilay aina nafoy ho famonjena izay rehetra mandray azy izany.

Ho azon'ny olona tsirairay an-tsaina ny tombam-bidin'ny tenany rehefa tonga mpiara-miasa amin'i Kristy izy, ka manao ny asa nataon'i Kristy, mameno izao tontolo izao amin'ny fahamarinan'i Kristy, mamita ny iraka avy amin'ny Avo Indrindra. (...) Omena izay rehetra mifandray amin'i Kristy ny iraka nomena ny mpianatra. Aoka hikely aina fatratra izy ireo ho amin'ny fifalian' ny famonjena ireo fanahy tsy ao amin'i Kristy ka efa ho faty.

Ny voninahitra ambony indrindra mety hatafy ny olombelona, na tanora izy na antitra, na manan-karena na mahantra, dia ny famelana azy hiaro ny ampahorina sy hampahery ireo ketraka. Feno fahoriana izao tontolo izao. Mandehana torio amin'ny mahantra ny filazantsara, sitrano ny marary. Izany no asa mifandray amin'ny hafatry ny filazantsara (Mat. 11:15). (...) Miseho amin'ny asa ny fitiavantsika an' i Kristy. Raha mihena ny fitiavantsika Azy dia hihalefy koa ny fitiavantsika ireo izay namoizany ny ainy (...).

Ny finoana marina sy ny fitiavana marina no tena harena. Ireo no mahatanteraka ny toetra ao amin'i Kristy. Raha be kokoa ny finoana, finoana feno fahatsorana sy mitoky amin'i Jesôsy, dia hisy ny fitiavana, fitiavana madio izay toetra volamenan'ny Kristianina. — HP, t. 173.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal