Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toromarika avy amin’Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 26 August 2024

 "Mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary hianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan 'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo." — 2 Tes. 1:12. 

Mofon’aina:
Maro ireo maniry fatratra ny hitombo amin'ny fahasoavana; ataony antom-bavaka izany, kanefa gaga izy ireo fa tsy mivaly ny vavaka ataony. Nomen'ny Tompo asa atao izy ireo, ary amin'ny alalan'izany no ahafahany mitombo. Midika inona moa ny vavaka raha tsy misy asa atao? Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: katsahiny ve ny famonjena ireo fanahy izay namoizan'i Kristy ny ainy? Miankina amin'ny fizarantsika amin'ny hafa ny fahazavana nomen' Andriamanitra antsika ny fitomboana amin'ny fahasoavana. Mila mampiasa ny sainao ho amin'ny tsara indrindra ianao, ary ho amin'ny tsara ihany, ao an-tokantranonao, ao amin'ny fiangonana misy anao, ary eo amin'ny manodidina anao. 

Aza mitebiteby noho ny fieritreretana fa tsy mitombo amin'ny fahasoavana ianao; tanteraho fotsiny ny adidy tsirairay manoloana anao, raiso am-po ny famonjem-panahy ary katsaho ny fomba rehetra hamonjena ny very. Aoka ho mora fanahy, ho feno fanajana, ho be fangorahana; torio amim-panetren-tena ny amin'ilay fanantenana mahafinaritra; resaho ny amin'ny fitiavan'i Jesôsy, ny amin'ny fahatsarany sy ny famindrampony ary ny fahamarinany; dia atsaharo ny fanahianao momba ny tsy fitomboarao. Tsy hita eo no ho eo ny fitombon'ny zavamaniry (...), tsy mitebiteby lava ny amin'ny fitomboany izy ireny; maniry fotsiny izy, eo ambanin'ny fanaraha-mason'Andriamanitra. 

Raha hatokantsika ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny fo sy ny saintsika, ka ataontsika izay asainy ataontsika, ary manaraka ny dian'i Jesôsy isika, dia hanjary lokanga masina ny fontsika, ka ny tadiny tsirairay dia ho velom-piderana sy fisaorana an'Ilay Zanak'ondry nirahin'Andriamanitra hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. (…)

Herintsika sy fahasambarantsika ny Tompo Jesôsy, trano firaketana lehibe izay azontsika hanovozana hery amin'ny fotoana rehetra. Eo am-pandinihantsika sy iresahantsika ny momba Azy, ka manjary afaka mibanjina Azy bebe kokoa hatrany isika — rehefa vonona handray ny fahasoavany sy ny fitahiana arotsany isika — dia manan-javatra hanampiana ny hafa. Ampitaintsika amin'ny hafa ireo fitahiana maimaimpoana nomena antsika satria velom-pankasitrahana isika. Amin'ny alalan'izany fandraisana sy fizarana izany no itomboantsika amin'ny fahasoavana. — GAG, t. 307. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal