Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toromarika avy amin’Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 26 August 2024

 "Mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary hianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan 'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo." — 2 Tes. 1:12. 

Mofon’aina:
Maro ireo maniry fatratra ny hitombo amin'ny fahasoavana; ataony antom-bavaka izany, kanefa gaga izy ireo fa tsy mivaly ny vavaka ataony. Nomen'ny Tompo asa atao izy ireo, ary amin'ny alalan'izany no ahafahany mitombo. Midika inona moa ny vavaka raha tsy misy asa atao? Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: katsahiny ve ny famonjena ireo fanahy izay namoizan'i Kristy ny ainy? Miankina amin'ny fizarantsika amin'ny hafa ny fahazavana nomen' Andriamanitra antsika ny fitomboana amin'ny fahasoavana. Mila mampiasa ny sainao ho amin'ny tsara indrindra ianao, ary ho amin'ny tsara ihany, ao an-tokantranonao, ao amin'ny fiangonana misy anao, ary eo amin'ny manodidina anao. 

Aza mitebiteby noho ny fieritreretana fa tsy mitombo amin'ny fahasoavana ianao; tanteraho fotsiny ny adidy tsirairay manoloana anao, raiso am-po ny famonjem-panahy ary katsaho ny fomba rehetra hamonjena ny very. Aoka ho mora fanahy, ho feno fanajana, ho be fangorahana; torio amim-panetren-tena ny amin'ilay fanantenana mahafinaritra; resaho ny amin'ny fitiavan'i Jesôsy, ny amin'ny fahatsarany sy ny famindrampony ary ny fahamarinany; dia atsaharo ny fanahianao momba ny tsy fitomboarao. Tsy hita eo no ho eo ny fitombon'ny zavamaniry (...), tsy mitebiteby lava ny amin'ny fitomboany izy ireny; maniry fotsiny izy, eo ambanin'ny fanaraha-mason'Andriamanitra. 

Raha hatokantsika ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny fo sy ny saintsika, ka ataontsika izay asainy ataontsika, ary manaraka ny dian'i Jesôsy isika, dia hanjary lokanga masina ny fontsika, ka ny tadiny tsirairay dia ho velom-piderana sy fisaorana an'Ilay Zanak'ondry nirahin'Andriamanitra hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. (…)

Herintsika sy fahasambarantsika ny Tompo Jesôsy, trano firaketana lehibe izay azontsika hanovozana hery amin'ny fotoana rehetra. Eo am-pandinihantsika sy iresahantsika ny momba Azy, ka manjary afaka mibanjina Azy bebe kokoa hatrany isika — rehefa vonona handray ny fahasoavany sy ny fitahiana arotsany isika — dia manan-javatra hanampiana ny hafa. Ampitaintsika amin'ny hafa ireo fitahiana maimaimpoana nomena antsika satria velom-pankasitrahana isika. Amin'ny alalan'izany fandraisana sy fizarana izany no itomboantsika amin'ny fahasoavana. — GAG, t. 307. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal