Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aiza Andriamanitra?

Daty
Talata 30 January 2024

Vakio ny Sal. 42:1-3; Sal. 63:1; Sal. 69:1-3 ary ny Sal. 102:1-7. Inona no miteraka alahelo be ho an'ilay mpanao Salamo?

Tsy ny fahoriana manokana sy izay iraisan'ny maro ihany no mampahory ilay mpanao Salamo fa ny toa tsy firaihan'Andriamanitra eo anatrehan'ny toe- javatra atrehin'ny mpanompony. Tahaka ny hetaheta lalina any amin'ny tany maina no fahatsapany ny tsy fanatrehan'Andriamanitra (Sal. 42:1-3; Sal. 63:1) ary koa fanaintainana mahafaty (Sal. 102:2-4). Mahatsapa ho toy ny tafasaraka amin'Andriamanitra ilay mpanao Salamo ary mampitaha ny tenany amin'ny vorona manirery. "Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tananaolo. Tsy mahita tory aho sady tahaka ny tsikirity irery eo an- tampontrano." - Sal. 102:6, 7.

Manipika ny fahatsapana ho tafasaraka amin'Andriamanitra ny firesahana momba ny tany efitra. Ny vorona "irery eo an-tampontrano" dia tsy ao amin'ny akaniny izay toerana fitsaharany. Mitalaho amin'Andriamanitra "tao amin'ny lalina" ilay mpanao Salamo, toy ny atelin'ny rano lalina sy milentika ao anatin'ny "fotaka mandrevo" izy (Sal. 69:1-3; Sal. 130:1). Maneho toe-javatra mampahory izay tsy ahafahana mandositra ireo sary ireo, ka tsy misy vahaolana afa-tsy ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra.

Vakio ny Sal. 10:12; Sal. 22:1; Sal. 27:9 ary ny Sal. 39:12. Ahoana no asetrin'ny mpanao Salamo ny toa tsy fanatrehan'Andriamanitra?

Tsara ny manamarika fa nanapa-kevitra ny tsy hangina teo anatrehan'ny fanginan'Andriamanitra ireo mpanao Salamo. Tsy azo nohozongozonina ny finoan'izy ireo ny vavaka, satria miantefa amin'ilay Andriamanitra velona sy be fahasoavana izany. Mbola eo Andriamanitra, na dia toa tsy tsapa aza ny fanatrehany. Mbola Ilay Andriamanitra izay nandre tamin'ny lasa ihany Izy; izany no mahatonga ireo mpanao Salamo matoky fa mandre azy ireo Izy ankehitriny.

Nahatonga ireo mpanao Salamo nandini-tena sy nikatsaka an'Andriamanitra tamin'ny fiaikena sy ny fangatahana feno fanetren-tena ny fotoana nanginan' Andriamanitra. Fantatr'izy ireo fa tsy hangina mandrakizay Andriamanitra. Asehon'ny Salamo fa tsy maintsy tohizana ny fifandraisana amin'Andriamanitra na inona na inona toe-javatra mitranga eo amin'ny fiainana.

Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny zavatra nataon'ny mpanao Salamo teo anatrehan'izay toa fanginan'Andriamanitra? Ahoana no ataonao eo anatrehan'ny fotoana izay ahatsapanuo fa toa mangina Andriamanitra? Inona no mihazona ny finoanao ho veiona?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal