Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô

Daty
Alatsinainy 12 February 2024

Vakio ny Sal. 51:1-5. Nahoana ny mpanao Salamo no mitady ny famindram-pon'Andriamanitra?

Nandoatra ny fony teo anatrehan'Andriamanitra i Davida mpanjaka ka nangataka ny hamelana ny helony raha tao anatin'ny fotoana nanjombona indrindra ara-panahy teo amin'ny fiainany izy (2 Sam. 12). Ny famelan-keloka dia fanomezana manokana atolotr'Andriamanitra noho ny fahasoavany, noho ny haben'ny fiantrany (Sal. 51:1). Miantso an'Andriamanitra mba tsy hijery azy araka izay valiny sahaza ny fahotany i Davida (Sal. 103:10) fa araka ny toetra maha-Andriamanitra Azy, dia ny famindram-po sy ny fahatokiana ary ny fiantrana (Sal. 51:1; Eks. 34:6,7).

Vakio ny Sal. 51:6-19. Ahoana ny sary anehoana ny famelan-keloka eto? Inona ny tanjon'ny famelan' Andriamanitra heloka?
Mihoatra noho ny fanambarana ara-dalàna ny tsy fananan-keloka ny famelan- keloka avy amin'Andriamanitra. Miteraka fiovana lalina izay mahatratra ny atifon'ny olombelona mihitsy izany (Sal. 51:6; Heb. 4:12). Miteraka famoronam- baovao izany (Sal. 51:10; Jao. 3:3-8). Ny matoanteny hebreo bara', izay adika hoe "foronina", dia maneho ny hery hoenti-mamorona ananan'Andriamanitra (Gen. 1:1). Andriamanitra irery no afaka bara'; Izy irery no mahay manao fanovana ifotony sy maharitra ao amin'ny fon'ny olona iray mibebaka (2 Kor. 4:6).

Mangataka ny hodiovina amin'ny hysopa i Davida (Lev. 14:2-8; Sal. 51:7). Tsapany fa mampanalavitra azy amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ny helony, tahaka ny boka izay voaroaka tsy ho ao amin'ny fiaraha-monina nandritra ny fotoana nampaloto azy (Sal. 51:11). Natahotra izy fa tsy hahaverina azy amin'ny laoniny tanteraka ny fanatitra satria tsy misy fanatitra mahavotra ny fahotan'ny fijangajangana sy ny vonoan'olona izay efa nomaniny mialoha (Eks. 21:14; Lev. 20:10).

Ny fahasoavan'Andriamanitra izay tsy misy fepetra ihany no afaka mandray ny "fo torotoro sy mangorakorak"i Davida ho fanatitra, ary koa mampihavana azy indray amin'Andriamanitra (Sal. 51:16, 17). Naniry ny hiverina eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy raha nangataka ny hodiovina amin'ny hysopa.

Raha azon'Andriamanitra natao ny namela ny helok'i Davida noho ny fijangajangany sy ny famitahany ary ny vonoan'olona nataony, dia inona ny fanantenana ho anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal