Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ASA FANOMPOΑΝΑ BEBE KOKOA AMIN'NY SABATA

Daty
Talata 09 July 2024

Vakio ny Mar. 1:29-34. Ahoana no nanampian'i Jesõsy ny ankohonan'i Petero ary inona ny lesona ara-panahy azontsika sintonina avy amin'io tantara io?

Taorian'ilay fanompoam-pivavahana mahagaga tao amin'ny sinagóga, dia nitokana niaraka tamin'ny mpianany vitsivitsy i Jesõsy (Petera, Andrea, Jakoba ary Jaona) hankany an-tranon'i Petera mba handany ireo ora sisan'ny Sabata amin'ny fiaraha-misakafo sy ny fiarahana amin'ireo sakaizany.

Nisy toe-javatra nampitebiteby anefa tamin'izay: nararin'ny tazo ny rafozam-bavin'i Petera; midika izany fa na izy mihatsara na ho faty. Nambaran'izy ireo an'i Jesôsy ny momba izany aretina izany ka noraisiny ny tanan'ilay rafozam-bavin'i Petera ary nanarina azy Izy. Avy hatrany dia nanomboka nanome izay nilain'izy ireo ilay rafozam-bavin Petera. Ohatra lehibe momba ny foto-kevitra iray izany: ireo izay novonjen'i Jesôsy sy nositraniny dia hiasa ho an'ny hafa ho setrin'izany!

Manerana ny filazantsaran'i Marka, matetika i Jesôsy no manasitrana amin'ny alalan'ny fikasihana ilay marary (jereo ny Mar. 1:41; Mar. 5:41), na dia nisy fotoana aza tsy niresahana ny amin'izany fikasihana izany (jereo ny Mar. 2:1-12; Mar. 3:1-6; Mar 5:7-13).

Tsy izay no namarana ny asa fanompoan'i Jesôsy tamin'io andro io. Nony maty ny masoandro dia marobe no tonga tao an-tranon'i Petera mba hositranina; tsy isalasalana fa ny fahitana ny zava-nitranga tao amin'ny sinagoga tamin'io andro io no anton'izany, na koa ny fandrenesana ny momba izany. Ny tsy filazan'ny mpanoratra tamin'ny mpamaky ny antony niandrasan'ny olona noho ny Sabata tsy mbola nifarana dia manondro ny fiheverany fa efa mahafantatra momba ny Sabata ireo mpamaky azy. Mifandraika amin'ny maha-mpitandrina ny Sabata ny mpamaky azy izany fomba fanoratr'i Marka izany.

Nambaran'i Marka fa tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa ny iray tanana tamin'io hariva io (Mar. 1:33). Azo inoana fa nila fotoana naharitraritra i Jesôsy mba hanampiany ireo olona rehetra ireo.

"Nifamoivoy teo Aminy isan'ora isan'ora ireo; tsy misy mahalala mantsy raha mboll ho eo aminy ihany Ilay Mpanasitrana ny ampitso. Tsy mbola nahita toe-javatra toy izal mihitsy Kapernaomy hatramin'izay. Feno hiram-pandresena sy antsoantsom-pahafahani ny habakabaka. Ravoravo ny Mpamonjy noho ny fifaliana nafafiny manodidina Azy. Raht nahita maso ny fahorian'ireo izay nanatona Azy Izy, dia onena ny fony, ary naharavo Azy ny nahazoany namerina ny fahasalamana sy ny fahasambarana ho azy ireo.

Tsy najanon'i Jesosy ny asany raha tsy sitrana ny marary rehetra. Efa alim-be val lasa ny vahoaka ary nanjaka tao an-tokantranon'i Simona ny fahanginana. Lasa ilal andro lava nahatrotraka ka nitady fialan-tsasatra Jesosy. Raha mbola renoky ny torimas ny tanana dia 'nifoha maraina alina koa ny Mpamonjy, dia nivoaka nankany an-tany foan ka nivavaka tany."- IFM, t. 264.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sat 28 Jun 2025
Telovolana 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sun 29 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal