Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

BABO TANY AMIN'NYA KOLONTSAINA VAHINY

Daty
Alahady 17 December 2023

Tsy mora velively ny mandao ny tanindrazana ho any amin'ny kolontsaina vahiny iray. Mety sarotra ho antsika amin'izao fotoana izao ny hahatakatra ny niainan'ny Jiosy izay teo ambany fitondran'ny Babilonianina aloha ary teo ambany fitondran'ny Persianina avy eo.

Tsy misy amintsika ireo, ohatra, monina any amin'ny firenena advantista ka nyampahany betsaka amin'ny foto-pinoantsika no lalàna mifehy ilay firenena. Nialoha ny nitondrana azy ireo ho babo anefa dia nonina tany amin'ny fireneny ny vahoaka jiosy, ary ny foto-pinoany no voasoratra tao amin'ny lalàna nifehy ny fireneny.

Amin'ny lafiny iray, azo eritreretina fa nanamora ny fahatokiana tamin' Andriamanitra izany. Ho mora manao ahoana tokoa moa ny fitandremana ny Sabata andro fahafito raha ao anatin'ny lalana mifchy ny firenena ny fitandremana ny Sabata andro fahafito?

Etsy ankilany, ny tantara masina dia naneho fa na inona na inona lalam-pirenena, na dia mifanaraka amin'ny finoana aza izany, ny fahatokiana dia tokony ho avy amin'ny fo, avy ao anaty, raha tsy izany dia hanaraka izany ny fahotana sy ny fihemorana ary ny faharavana.

"Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany" - Isa. 29:13.

Ho an'ireo vonona ny hijoro ho mahatoky kosa, na dia ny tontolo ratsy indrindra aza dia tsy hanakana azy tsy hankato.

Vakio ny Dan. 1:1-12, Dan. 3:1-12, sy ny Dan. 6:1-9. Na dia manokana aza ny toe-javatra tsirairay, inona no ambaran'ireo tantara ireo momba ny fihaikana mety hatrehin'ny vahoakan Andriamanitra rehefa monina any amin'ny kolontsaina hafa izy?

Na iza isika na iza, na aiza na aiza ny toerana misy antsika, dia tafiditra ao amin'ny tontolo izay mety ho fihaikana lehibe ho an'ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona isika, na noho ny amin'ny lalàna izany na noho ny amin'ny kolontsaina, na ireo roa ireo. Ireo fitantarana ao amin'ny Daniela, na dia "tsara fiafara" hatrany aza, dia maneho fa afaka mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra ny olona na dia ao anatin'ny toe-javatra sarotra aza. Na dia ho ratsy fiafara aza ireo tantara ireo dia azo antoka fa ho nanao izay tokony hatao ireo lehilahy ireo.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal