Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ENTANIN'NY FANANTENANA

Daty
Sabotsy 11 May 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Tes. 4:13-18; Mat. 24:27,30,31; 2 Pet. 1:19-21; Dan. 8:14; Dan. 9:20-27; Ezra 7:7-13

Tsianjery: "Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehôvah , Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika." — Isa. 25:9. 
 

Iray amin'ireo lohahevitra fototry ny Soratra Masina ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Kofehy volamena manavatsava ireo pejy masin'ny Baiboly izany. Notombanan'ny mpandinika iray ho in-1845 no iresahana momba ny fiavian'i Kristy fanindroany ao amin'ny Testamenta Taloha. Ao amin'ireo toko miisa 260 ao amin'ny Testamenta Vaovao dia in-300 mahery no iresahana momba fiavian'i Kristy. Andininy iray amin'ny 25 no milaza izany. Ny 23 amin'ireo boky 27 ao amin'ny TV no milaza ny amin'io toe-javatra lehibe io. Taorian'ny tsy nahombiazan'ny Fanavaozana ara-pivavahana tao Eorapa, raha voasakantsakan'ny fisaratsarahana sy ny adilahy izany, dia niorim-paka tao amin'ny "Tontolo Vaovao", ao anatin'izany i Etazonia, ny fivavahana protestanta. Tao amin'io toerana io no niezahan'ny maro hanandratra ny fanevan'ny fahamarinana, anisan'izany ny fahamarinana ny amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Iray tamin'izy ireo i William Miller, tantsaha batista iray. Rehefa avy nandinika ny Baiboly izy dia nino fa ho avy tsy ho ela i Jesôsy, eny amin'ny androm-pahavelomany aza, ka nanomboka nitory izany hafatra izany izy. Izy no nanomboka ilay fihetsehana izay, na tojo fahadisoann-panantenana lehibe aza, dia nahatonga olona maro hahalala fahamarinana ara-Baiboly izay manan-danja mandraka ankehitriny.

Hodinihintsika ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity ny hoe: nahoana ny fiavian'i Kristy fanindroany no nameno hafaliana ny fon'ireo mpino nandritra ny taonjato maro, sy ny hoe: ahoana no ahafahantsika mivonona ho amin'izany tranga lehibe izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal