Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHAZAVANA AVY AO AMIN'NY FITOERANA MASINA 

Daty
Sabotsy 18 May 2024

SABATA HARIVA 
Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 25:8, 9, 40; Heb. 8:1-6; Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; Heb. 9:23-28; Dan. 7:9, 10; Mat. 25:1-13; Apôk. 11:19. 

Tsianjery:  "Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan’ny Avo lndrindra any an-danitra, Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny Fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo fa tsy olona. Heb.8:1,2.

Fotoana fohy taorian'ny fahadisoam-panantenan'ny 22 Oktôbra 1844 dia nahatakatra ny fahadisoany ny sasany tamin'ireo Milerita rehefa nivavaka sy nandalina. Tsy mahakasika ny fiavian'i Jesôsy fanindroany araka ny ahatakarantsika izany ankapobeny ny faminaniana momba ny 2300 andro fa maneho ny asan'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra, aseho amin'ny fomba mahery vaika ao amin'ny bokin'ny Hebreo.

Ny fanadiovana ny Fitoerana Masina any an-danitra no fahatanterahan'ny fanadiovana ny Fitoerana Masina teto an-tany araka ny ampianarin'ny Levitikosy. Mba hahatakarana bebe kokoa io fahamarinana lehibe io dia andeha hodinihintsika ny fitoviana misy eo amin'ny Dan. 7 sy ny Dan. 8: 

Dan. 7                                                                Dan. 8 
Babilona                                              ———
Medianina sy Persianina                  Medianina sy Persianina 
Grika                                                   Grika 
Rôma                                                   Rôma 
Fitsarana any an-danitra                  Fanadiovana ny Fitoerana Masina 

Ireo fitoviana ireo dia manampy antsika hahatakatra ny tena toetry ny fanadiovana ny Fitoerana Masina, izay fitsarana famotopotorana lehibe mialoha ny fiavian'i Jesôsy. Ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity no handinihantsika ny fahamarinana ara-Baiboly miankina aman'aina momba ny asan'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal