Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 03 May 2024

"Tsy niasa irery ireo mpanompon'Andriamanitra mahatoky. Raha nivondrona hamely azy ireo ny fanjakana sy ny fanapahana ary ireo fanahy ratsy eny amin'ny rivotra, dia tsy mba nandao ny olony ny Tompo. Raha mba azo nosokafana mantsy ny mason'izy ireo, dia ho nahita porofo mazava tokoa ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny fanampiany izy, toy izay nitranga tamin'ny mpaminany iray fahiny. Rehefa nasehon'ilay mpanompony tamin'i Elisa ny tafiky ny fahavalo nanodidina azy ireo tamin'ny fomba izay tsy nisian'ny hirika nahafahan'izy ireo nandositra, dia nivavaka toy izao ilay mpaminany: "Jehôvah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany' - 2 Mpanj. 6:17. Dia indro feno kalesy sy soavaly afo ilay tendrombohitra; nitoby rnanodidina hiaro ilay lehilahin'Andriamanitra ny tafiky ny lanitra. Toy izany no niambenan'ny anjely ireo mpitory ny filazantsara nomba ny Fanavaozana ara-pivavahana." - GC, t. 208.

"Rehefa nivondrona ny fahavalo mahery handrodana ny finoana nohavaozina, ka toa nisy sabatra an'arivony voatsoaka hamelezana izany, dia izao no nosoratan'i Lotera: 'Mampiseho ny haromotany i Satana, mioko ireo mpitondra fiangonana ambony tsy manana toe-panahy araka an'Andriamanitra; ary manandindona antsika ny ady. Ampirisiho ny vahoaka hitolona amin-kerim-po eo anoloan'ny seza fiandrianan'ny Tompo, amin'ny alalan'ny finoana sy ny fivavahana, mba hahavoatery ireo fahavalontsika resin'ny Fanahin'Andriamanitra, hanaiky ny fandriam-pahalemana. Ny zava-dehibe indrindra ilaintsika, ny tena anton-dahasantsika, dia ny fivavahana. Aoka ho fantatry ny vahoaka fa miatrika ny lelan-tsabatra sy ny faharomotan'i Satana izy izao, koa aoka izy hivavaka'. — D'Aubigne, bokv 10, toko 14.» - HM, t. 213.

Ny fanamarinana amin'ny finoana, ilay fahamarinana lehibe hitan'i Lotera, no fototra iorenan'ny Filazantsara, fahamarinana izay itoeran'ny fanantenantsika famonjena. Milaza mazava toy izao ilay hirany mitondra ny lohateny hoe "A Mighty Fortress": "Raha mitoky amin'ny herin'ny tenantsika isika, dia ho very maina ny ezaka ataontsika, raha tsy Hay Olona tena ilaintsika no eo anilantsika, dia Ilay Olona nofidin'Andriamanitra. Iza izany hoy ianao? I Jesôsy Kristy, Sabaoth ("Tompon'ny maro" na "Tompon'ny tafiky") no anarany, Ilay tsy miova na oviana na oviana, ary Izy no tsy maintsy handresy amin'ilay ady." — Seventh-day Adventist Hymnal (Hagerstown, MD: Review and Herald Publishing Association, 1985), No. 506.

FANONTANIANA hifanankalozon-kevitra:    
1. Ahoana no hanazavantsika ny fifandanjana eo amin'ny fahasoavana sy ny lalana, ary eo amin'ny finoana sy ny asa tsara?   
2. Nahoana, araka ny hevitrao, no mora foana ny hahalatsaka antsika ao amin'ny fandriky ny fitadiavam-pamonjena amin'ny alalan'ny asan'ny lalana? Ahoana no hamaritanao ny fitandemana ny lalana fatratra mba hovonjena? Nahoana no manimba ny finoantsika Kristianina izany?  
3. Raha tsy takatra araka ny tokony ho izy ny foto-kevitry ny "famonjena amin'ny alalan'ny fahasoavana", inona ny loza mety ahiana? Mety hitondra mankaiza izany tsy fahatakarana tsara izany?   
4. lnona no tian'ny sasany holazaina amin'ilay teny hoe "fahasoavana mora vidy"? Moa ve mora vidy tokoa fahasoavana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal