Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 03 May 2024

"Tsy niasa irery ireo mpanompon'Andriamanitra mahatoky. Raha nivondrona hamely azy ireo ny fanjakana sy ny fanapahana ary ireo fanahy ratsy eny amin'ny rivotra, dia tsy mba nandao ny olony ny Tompo. Raha mba azo nosokafana mantsy ny mason'izy ireo, dia ho nahita porofo mazava tokoa ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny fanampiany izy, toy izay nitranga tamin'ny mpaminany iray fahiny. Rehefa nasehon'ilay mpanompony tamin'i Elisa ny tafiky ny fahavalo nanodidina azy ireo tamin'ny fomba izay tsy nisian'ny hirika nahafahan'izy ireo nandositra, dia nivavaka toy izao ilay mpaminany: "Jehôvah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany' - 2 Mpanj. 6:17. Dia indro feno kalesy sy soavaly afo ilay tendrombohitra; nitoby rnanodidina hiaro ilay lehilahin'Andriamanitra ny tafiky ny lanitra. Toy izany no niambenan'ny anjely ireo mpitory ny filazantsara nomba ny Fanavaozana ara-pivavahana." - GC, t. 208.

"Rehefa nivondrona ny fahavalo mahery handrodana ny finoana nohavaozina, ka toa nisy sabatra an'arivony voatsoaka hamelezana izany, dia izao no nosoratan'i Lotera: 'Mampiseho ny haromotany i Satana, mioko ireo mpitondra fiangonana ambony tsy manana toe-panahy araka an'Andriamanitra; ary manandindona antsika ny ady. Ampirisiho ny vahoaka hitolona amin-kerim-po eo anoloan'ny seza fiandrianan'ny Tompo, amin'ny alalan'ny finoana sy ny fivavahana, mba hahavoatery ireo fahavalontsika resin'ny Fanahin'Andriamanitra, hanaiky ny fandriam-pahalemana. Ny zava-dehibe indrindra ilaintsika, ny tena anton-dahasantsika, dia ny fivavahana. Aoka ho fantatry ny vahoaka fa miatrika ny lelan-tsabatra sy ny faharomotan'i Satana izy izao, koa aoka izy hivavaka'. — D'Aubigne, bokv 10, toko 14.» - HM, t. 213.

Ny fanamarinana amin'ny finoana, ilay fahamarinana lehibe hitan'i Lotera, no fototra iorenan'ny Filazantsara, fahamarinana izay itoeran'ny fanantenantsika famonjena. Milaza mazava toy izao ilay hirany mitondra ny lohateny hoe "A Mighty Fortress": "Raha mitoky amin'ny herin'ny tenantsika isika, dia ho very maina ny ezaka ataontsika, raha tsy Hay Olona tena ilaintsika no eo anilantsika, dia Ilay Olona nofidin'Andriamanitra. Iza izany hoy ianao? I Jesôsy Kristy, Sabaoth ("Tompon'ny maro" na "Tompon'ny tafiky") no anarany, Ilay tsy miova na oviana na oviana, ary Izy no tsy maintsy handresy amin'ilay ady." — Seventh-day Adventist Hymnal (Hagerstown, MD: Review and Herald Publishing Association, 1985), No. 506.

FANONTANIANA hifanankalozon-kevitra:    
1. Ahoana no hanazavantsika ny fifandanjana eo amin'ny fahasoavana sy ny lalana, ary eo amin'ny finoana sy ny asa tsara?   
2. Nahoana, araka ny hevitrao, no mora foana ny hahalatsaka antsika ao amin'ny fandriky ny fitadiavam-pamonjena amin'ny alalan'ny asan'ny lalana? Ahoana no hamaritanao ny fitandemana ny lalana fatratra mba hovonjena? Nahoana no manimba ny finoantsika Kristianina izany?  
3. Raha tsy takatra araka ny tokony ho izy ny foto-kevitry ny "famonjena amin'ny alalan'ny fahasoavana", inona ny loza mety ahiana? Mety hitondra mankaiza izany tsy fahatakarana tsara izany?   
4. lnona no tian'ny sasany holazaina amin'ilay teny hoe "fahasoavana mora vidy"? Moa ve mora vidy tokoa fahasoavana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal