Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 24 May 2024

Mariho ny fomba anoritsoritana ny asan'i Jesôsy ho antsika eo amin'ny fitsarana sy ny anjara asantsika: "Tsy manala tsiny ny fahotany Jesôsy fa asehony kosa ny fibebahany sy ny finoany ka mitaky famelan-keloka ho azy lzy. Asandrany eo anatrehan'ny Ray sy ny anjely masina ireo tanany voaratra, ka hoy Izy hoe: Fantatro amin'ny anarany izy. Efa vita tombo-kavatsa eo amin'ny tanako izy. Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona' Ary hoy lzy amin'ilay mpiampanga ny vahoakany:" Hananatra anao anie Jehôvah , ry Satana; eny, Jehôvah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao.'" - HM, t. 500.

"Ny fanehoana ny vahoakan'Andriamanitra mijoro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fitafiana maloto dia tokony hiteraka fanetren-tena sy fandinihana lalina ny fo eo amin'ireo rehetra mitonona ho Kristianina. Ireo izay manadio ny fanahiny amin'ny fankatoavana ny fahamarinana dia hanana fiheverana feno fanetren-tena indrindra momba ny tenany. Arakaraka ny ahitany akaiky kokoa ny toetran'i Kristy tsy misy pentina no hahamafy ny faniriany hanahaka Azy, ary hampihena ny fahitany fahadiovana na fahamasinana eo amin'ny tenany. Tokony hahatsapa ny maha-mpanota antsika isika ka hiantehitra amin'i Kristy ho fahamarinantsika sy fanamasinana antsika ary fanavotana antsika. Tsy afaka mamaly ny fiampangana ataon'i Satana antsika isika. i Kristy irery ihany no afaka manao fiarovana mahomby ho antsika. Afaka mampangina an'ilay mpiampanga amin'ny tohan-kevitra miorina amin'ny fahamendrehany fa tsy amin'ny fahamendrehantsika izy." - Ellen G. White, TFC, b. 5, tt. 471, 472.

"Velona amin'ny Andro Fanavotana lehibe isika izao. Tamin'ny fanompoam-pivavahana tandindona, raha mbola nanao fanavotana ho an'ny Isiraely ny mpisoronabe, dia nasaina nampahory ny fanahiny ny olona rehetra tamin'ny alalan'ny fibebahany ny amin'ny fahotana sy ny fietren-tena eo anatrehan'i Jehôvah , fandrao hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka izy. Amin'ny fomba toy izany koa, dia tokony hampahory ny fanahiny eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ireo izay ta-hanana ny anarany tsy ho voakosoka ao amin'ny bokin'ny flainana amin'izao andro kely sisa mbola haharetan'ny fahasoavana ho azy izao, ka halahelo ny amin'ny fahotana sy hibebaka marina." - HM, t. 506 

FANONTANIANA hifanankalozan kevitra :
1. Inona avy ireo fihetseham-po ateraky ny fieritreretana fa manangana ireo tanany voaratra ho antsika manoloana ny Ray i Jesôsy? Nahoana izany no hany fanantenantsika amin'ny fotoam-pitsarana?

2. Miaina amin'ny Andro Fanavotana isika. Ny fanavotana no asan'Andriamanitra izay manavotra ny mpanota very. Nahoana ary no tokony ho vaovao mahafaly ny andro izay atokana ho amin'ny asan'Andriamanitra izay mamonjy ny mpanota?

3. Mariho izay nosoratan'i Ellen G. White: "I Kristy irery no afaka manao fiarovana mahomby ho antsika. Azony atao ny mampangina ilay mpiampanga amin'ny tohan-kevitra mifototra amin'ny fahamendrehany fa tsy amin'ny fahamendrehantsika." - ARSH, 2 janoary 1908. Ahoana no handraisanao izany fanantenana izany ho an'ny tenanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal