Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 21 June 2024

Tamin'ny taona 1851 no nampifandraisan'ireo mpamaky lay Advantista ny bibidia faharoa ao amin'ny Apôk . 13:11-17 amin'i Etazonia. Azo antoka anefa fa sarotra tamin'izany fotoana izany ny nieritreritra ny fomba haneren'i Etazonia an'izao tontolo izao hiankohoka amin'ilay bibidia voalohany (Apôk . 13:12). Na tamin'ireo taona 1880 aza mantsy dia zara raha nanana sambo efa antitra 48 ny tafika an-dranomasin'i Etazonia. Nanomboka tamin'ny fiafaran'ny ady mangatsiaka anefa dia tsy misy hery afa-mitaha amin'izay ananan'ny tafik'i Etazonia. Ary na dia nisitraka fahafahana mahatalanjona aza ireo Amerikanina, rehefa nihasarotra ny toe-javatra, dia hita ihany ny fanitsakitsahana ireny fahafahana ireny, na ny fanohintohinana izany mihitsy aza. Inoan'ny maro fa na amin'izao andro izao aza dia mitranga izany.

"Izay rehetra manda tsy hilefitra dia hiharan'ny sazy ahatran'ny fanjakana, ary amin'ny farany dia holazaina fa mendrika ny ho faty izy ireo. Etsy andaniny anefa, ny lalàn'Andriamanitra dia mandidy ny hitandremana ny andro fitsaharan'ny Mpamorona ka mampitandrina izay rehetra mandika ny fitsipika ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra."- HM, t. 630.

"Raha manatona ny tafio-drivotra, dia misy antokon'olona maro izay niseho ho mino ny hafatry ny anjely fahatelo, nefa tsy nohamasinina tamin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana, no hiala amin'ny toerany ankehitriny ka hirotsaka eo amin'ny laharan'ny mpanohitra. Niray tamin'izao tontolo izao izy sady nifindran'ny toe-tsainy, ka nanjary saiky nitovy ny fomba fijeriny ny toejavatra; ary rehefa tonga ny fisedrana, dia efa voaomana mialoha hifidy ny lalana mora arahin'ny besinimaro izy ireo. Misy olona manan-talenta sy fahaizana mahataona, izay efa nahita fifaliana tamin'ny fanarahana ny fahamarinana, nefa ankehitriny dia mampiasa ny heriny hamitaka ny fanahy sy hampivily azy amin'ny lalan-diso. lreo no hanjary fahavalon'ny rahalahiny teo aloha sady hasiaka indrindra. Rehefa hoentina eo anatrehan'ny fitsarana ny mpitandrina ny Sabata mba hanazava ny amin'ny finoany, dia ireny mihemotra ireny no ho fiasan'i Satana mahomby indrindra mba hanosoram-potaka sy hiampangana azy, ka ny tatitra lainga hataony sy ny hevitra hasosony no hanosika ny mpanapaka hamely azy ireo." - HM, t. 634. 
 
FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fahatakarana ireo toe-javatry ny andro farany izay hiseho amin'ny fotoan-tsarotra ho avy? Ahoana no mahatonga ny Soratra Masina ho fiarovana amin'ny famitahana?    
2. Firenena demokratika maro maneran-tany no iorenan'ny fahafahana ara-pivavahana nandritra ny taonjato maro. Ahoana no hiovan'izany amin'ny fomba haingana dia haingana?   
3. Jereo ny fanambaran'i Ellen G. White etsy ambony. Inona ny safidy ataonao ankehitriny izay mety hahatonga anao hiandany amin'ireo izay miseho ho Advantista rahampitso?    
4. Ahoana no niovan'ny hafatry ny anjely faharoa ho amin'ny feo mahery, ary inona ny fiomanana manokana azontsika atao mba handraisantsika ny fara-orana hamitana ny asan’Andriamanitra maneran-tany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal