Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 26 July 2024

Vakio ny "Nivoaka ny mpamafy mba hamafy", toko faha-2 ao amin'ny HF.

"Ny fahamasinana marina dia fanoloran-tena ho eo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. lo no fepetra amin'ny fiainana kristianina marina. Mangataka fanokanan-tena tsy misy fepetra amintsika i Kristy, ho amin'ny fanompoana tsy zarazaraina. Ny fo, ny saina, ny fanahy sy ny hery no angatahiny ho an'ny asany. Tsy tokony hankamamiana ny tena. Izay velona ho an'ny tenany dia tsy kristianina.

Tokony ho foto-kevitra enti-miasa ny fitiavana. Ny fitiavana no foto-kevitra iorenan'ny fanjakan'Andriamanitra eto an-tany sy any an-danitra ary tsy maintsy ho fototry ny toetra amam-panahy kristianina. lo ihany no hahatonga azy ho afaka hifahatra sy hitana azy hahafahatra. lo ihany no hahatonga azy ho afaka hisetra ny fitsapana sy ny fakam-panahy.

Ary ny fitiavana dia haseho eo amin'ny fahafoizan-tena. Ny drafitry ny fanavotana dia naorina teo amin'ny fahafoizan-tena lehibe sy lalina ary avo indrindra ka tsy azo refesina. Nomen'i Kristy antsika ny zavatra rehetra, ary ireo izay mandray an'i Kristy dia ho vonona hahafoy ny zavatra rehetra ho an'ny Mpanavotra azy. Ny fahatsiarovana ny hajany sy ny voninahiny dia hatao alohan'ny zavatra hafa rehetra." - HF, tt. 36, 37.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. "Tokony ho foto-kevitra enti-miasa ny fitiavana. Ny fitiavana no foto-kevitra lorenan'ny fanjakan'Andriamanitra eto an-tany sy any an-danitra." Ahoana no anehoan'ny hazo fijaliana amintsika izany fahamarinana mahagaga izany?  
2. Inona no havalinao ny olona iray midrikina fa nanao fanoharana i Jesôsy mba hijanonan'ireo any ivelany ao amin'ny maizina? Maty ho an'ny olombelona rehetra i Jesôsy (jereo ny 1 Jao. 2:2), koa nahoana àry Izy no hampitoetra ao amin'ny maizina ny olona izay nanolorany ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana ho famonjena azy ireo? 
3. Tokony hatao eo amin'ny fitoeran-jiro ny jiro fa tsy natao hosaronan'ny vata famarana (Mar. 4:21). Ampiharo eo amin'ny asan'ny flangonanao eo amin'ny fiarahamonina misy azy izany foto-kevitra izany. Ahoana hanandratanao ambony kokoa ny jiro? 
4. Saintsaino ny amin'ny fanoharana momba ny voa mitsimoka (Mar. 4:26-29). Inona ny anjara asan'ny olombelona eo amin'ny fampaniriana ny voan'ny filazantsara, ary inona no anjara asan'Andriamanitra? Mazava loatra fa misy anjara asa tanantsika, ahoana anefa no hahazoantsika antoka fa miantehitra tanteraka amin'Andriamanitra isika? Moa ve izany toe-tsain'ny fianteherana tanteraka Aminy izany anisan'ny zavatra ilaintsika mba hitomboana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal