Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 26 July 2024

Vakio ny "Nivoaka ny mpamafy mba hamafy", toko faha-2 ao amin'ny HF.

"Ny fahamasinana marina dia fanoloran-tena ho eo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. lo no fepetra amin'ny fiainana kristianina marina. Mangataka fanokanan-tena tsy misy fepetra amintsika i Kristy, ho amin'ny fanompoana tsy zarazaraina. Ny fo, ny saina, ny fanahy sy ny hery no angatahiny ho an'ny asany. Tsy tokony hankamamiana ny tena. Izay velona ho an'ny tenany dia tsy kristianina.

Tokony ho foto-kevitra enti-miasa ny fitiavana. Ny fitiavana no foto-kevitra iorenan'ny fanjakan'Andriamanitra eto an-tany sy any an-danitra ary tsy maintsy ho fototry ny toetra amam-panahy kristianina. lo ihany no hahatonga azy ho afaka hifahatra sy hitana azy hahafahatra. lo ihany no hahatonga azy ho afaka hisetra ny fitsapana sy ny fakam-panahy.

Ary ny fitiavana dia haseho eo amin'ny fahafoizan-tena. Ny drafitry ny fanavotana dia naorina teo amin'ny fahafoizan-tena lehibe sy lalina ary avo indrindra ka tsy azo refesina. Nomen'i Kristy antsika ny zavatra rehetra, ary ireo izay mandray an'i Kristy dia ho vonona hahafoy ny zavatra rehetra ho an'ny Mpanavotra azy. Ny fahatsiarovana ny hajany sy ny voninahiny dia hatao alohan'ny zavatra hafa rehetra." - HF, tt. 36, 37.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. "Tokony ho foto-kevitra enti-miasa ny fitiavana. Ny fitiavana no foto-kevitra lorenan'ny fanjakan'Andriamanitra eto an-tany sy any an-danitra." Ahoana no anehoan'ny hazo fijaliana amintsika izany fahamarinana mahagaga izany?  
2. Inona no havalinao ny olona iray midrikina fa nanao fanoharana i Jesôsy mba hijanonan'ireo any ivelany ao amin'ny maizina? Maty ho an'ny olombelona rehetra i Jesôsy (jereo ny 1 Jao. 2:2), koa nahoana àry Izy no hampitoetra ao amin'ny maizina ny olona izay nanolorany ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana ho famonjena azy ireo? 
3. Tokony hatao eo amin'ny fitoeran-jiro ny jiro fa tsy natao hosaronan'ny vata famarana (Mar. 4:21). Ampiharo eo amin'ny asan'ny flangonanao eo amin'ny fiarahamonina misy azy izany foto-kevitra izany. Ahoana hanandratanao ambony kokoa ny jiro? 
4. Saintsaino ny amin'ny fanoharana momba ny voa mitsimoka (Mar. 4:26-29). Inona ny anjara asan'ny olombelona eo amin'ny fampaniriana ny voan'ny filazantsara, ary inona no anjara asan'Andriamanitra? Mazava loatra fa misy anjara asa tanantsika, ahoana anefa no hahazoantsika antoka fa miantehitra tanteraka amin'Andriamanitra isika? Moa ve izany toe-tsain'ny fianteherana tanteraka Aminy izany anisan'ny zavatra ilaintsika mba hitomboana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal