Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIFALIANA AMIN'NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY

Daty
Alahady 22 September 2024

Vakio ny Mar. 15:42--16:6. Inona no mitranga eto? Ary nahoana io tantara io no tena manan-danja ao amin'ny fitantarana momba ny fitsanganana amin'ny maty?

Miara-manaiky ny filazantsara efatra fa maty tamin'ilay andro antsoina hoe "Fiomanana" i Jesôsy (Mat. 27:62; Mar. 15:42; Lio. 23:54; Jao. 19:14,31,42). Manazava ny ankamaroan'ny mpandinika fa manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro Alakamisy hatramin'ny filentehan'ny masoandro Zoma io andro io. Ny harivan'ny Zoma i Jesôsy no maty, ary nalevina haingana Izy tsy ho tratry ny filentehan'ny masoandro.

Nitsahatra tao am-pasana ny Tompo nandritra ny Sabata, ary ny mpianatr'i Jesôsy rehetra koa nitsahatra. "Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny laiàna."- Lio. 23:56. Ho hafahafa tokoa izany fihetsika izany raha toa i Jesôsy ka nampiditra tao an-tsain'ny mpianatra fa tsy zava-dehibe ny fitandremana ny Sabata.

Ny alina, rehefa afaka ny Sabata, dia nividy zava-manitra ireo vehivavy ary nankany amin'ny fasana ny Alahady maraina mba hamita ny fanatanterahana ny fombafombam-pandevenana. Mazava loatra fa tsy tao intsony i Jesôsy!

Nanomboka tamin'ny taonjato faharoa dia hitan'ny Kristianina fa misy antony manan-danja ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ny andro Alahady. Dia toy izany no nanombohan'izy ireo nanamasina ny Alahady. Kanefa izany tokoa ve no ampianarin'ny TV?

Vakio ny Kôl. 2:10-12. Inona ny tsangambato fahatsiarovana ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ao amin'ny TV?

Tsy misy teny ao amin'ny Baiboly, na iray aza, manambara ny fahamasinan'ny Alahady amin'ny maha-fahatsiarovana ny fitsanganana amin'ny maty azy. Ny batisa no natao hahatsiarovana izany. "Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao."- Rôm. 6:4.

"Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindrampony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty" - 1 Pet. 1:3. Diniho ny toky nananan'i Petera momba ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty. Ahoana no hananantsika koa izany toky  izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal