Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIFANOHERANA

Daty
Sabotsy 13 July 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro:
Mar. 2:1-3:6, Mika 6:6-8, 1 Sam. 21:1-6, Mar. 3:20-35, Lio. 12:53, Lio. 14:26.

Tsianjery: 

"Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata; ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona." Mar. 2:27,28.

Misy tantara dimy nanaovan'i Jesôsy fampianarana ao amin'ny Mar. 2:1- Mar -3:6, izay mifanohitra amin'ny fampianaran'ireo mpitondra fivavahana tamin'izany. Manaraka lamina voafaritra ireo tantara ireo, ka ny tantara tsirairay dia mifandray amin'ny tantara eo alohany, ary ny tantara farany dia mifandray amin'ny voalohany.

Samy mampiseho ny maha-lzy an'i Jesôsy ireo tantara ireo, araka ny asongadina ao amin'ny Mar. 2:10,17,20,28.

Hiditra lalina amin'ny hevitr'ireo tantara ireo sy ny fanambaran'i Jesôsy ao anatiny ny fianarantsika amin'ny Alahady, Alatsinainy, ary Talata.

Ny lohahevitra hodinihina ao amin'ny lesona Alarobia sy Alakamisy kosa dia ny ao amin'ny Mar. 3:20-35.

Ho hitantsika koa ny anankiray amin'ny fomba fanoratr'i Marka ny Filazantsara, dia ilay antsoina hoe: "Sandwich Story" (izany hoe manomboka amin'ny tantara A izy, avy eo manisika tantara B, izay vao faranany ilay tantara A). Inenina, farafahakeliny, no ampiasan'i Marka io fomba io ao amin'ny bokiny. Ary isaky ny manao izany izy dia mifantoka amin'ny lafin-toetran'i Jesõsy iray sy ny anjara asany amin'ny maha-Mesia Azy, na mifantoka amin'ny toetry ny maha-mpianatra.

Hamaky tantara vitsivitsy momba an'i Jesõsy isika amin'ity herinandro ity ary hijery ny lesona azontsika raisina avy amin'izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal