Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HERY HIJOROANA

Daty
Talata 23 April 2024

Ampitahao ny Asa. 5:28-32, Efes. 6:10-12 sy ny Apôk . 3:11. Inona ny fitsipika fototra hita ao amin'ireo andininy ireo?

Iray amin'ny toetra nampiavaka ny Vaudois sy ireo mpanavao fivavahana tsirairay ny fanekeny tanteraka an'Andriamanitra, ny fankatoavany ny fahefan'ny Soratra Masina ary ny fileferany eo anatrehan'ny fahambonian'i Kristy fa tsy ny an'ny papa. Feno ny tantaran'ny finoana sy ny faherezana avy tao amin'ny Testamenta Vaovao ny sain'izy ireo.

Niaraka niteny izao tamin'i Petera sy ireo apôstôly izy ireo: "Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona"-Asa. 5:29. Takatr'izy ireo ny fananarana nataon'i Paoly hoe: "mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany'- Efes. 6:10. Noraisin'izy ireo am-pahamatorana ny torohevitr'i Jesôsy manao hoe: "tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao" - Apôk . 3:11. Tsy nilefitra tamin'ireo fombafomban'ny Eglizy romanina ireo lehilahy sy vehivavinlny finoana fa nanana herim-po nijoro hiaro ireo fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra.

Ireo Vaudois no iray amin'ireo vondrona voalohany nahazo ny Baiboly tamin'ny fiteniny. Fitantarana mampihetsi-po iray ny amin'ny fandikan'izy ireo tanana ny Baiboly, nosoratan'i Jean Leger, vaudois iray mpanao dika mitovy ny Baiboly, no ahitana ireo fanazavana mivantana momba ny asany, ao anatin'izany ireo sary. Nandika miafina ireo Soratra Masina teny amin'ny fiaraha-monina nisy azy teny an-tendrombohitra avaratr'i Italia sy atsimon'i Frantsa ireo Vaudois. Hatramin'ny fahakeliny dia nandray torohevitra ny hanao tsianjery ampahany lava tamin'ny Soratra Masina ireo tanora. Tarika maro mpanao dika mitovy ny Baiboly no niara-niasa mafy nandika indray ny Baiboly. Maro tamin'ireo tanora Vaudois no nitety an'i Eorôpa mba hivarotra ka hizara mangingina amin'izany fomba izany ireo fahamarinan'ny Soratra Masina. Niditra nianatra tany amin'ny oniversite ny sasany ary rehefa nisy ny fotoana fanararaotra dia nizara andinin-tSoratra Masina tamin'ny mpiara-mianatra taminy izy ireo. Notarihin'ny Fanahy Masina izy ireo ka tamin'ny fotoana mety indrindra izay nahatsapany fa vonon-kandray ny mpikatsaka tso-po no nizarany ampahany notsongaina avy amin'ireo andalan-tSoratra Masina sarobidy. Betsaka no nanefa tamin'ny ainy ny fahatokiany sy ny fanoloran-tenany. Na dia tsy nahatakatra mazava ny fampianaran'ny Baiboly manontolo aza ireo Vaudois dia nitahiry ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo nandritra ny taonjato maro tamin'ny fizarany izany tamin'ny hafa.

"Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro"- Ohab. 4:18. I Sôlômôna dia mampitaha ny lalana itondran'Andriamanitra ny zanany amin'ny masoandro izay mihamiposaka hatrany. Raha toa Andriamanitra manindry fotsiny fanapihan-jiro eny an-danitra ka mamiratra eo no ho eo amin'ny fahazavany rehetra ny masoandro dia ho jambenan'izany isika. Taorian'ny haizina izay nanenika izao tontolo izao nandritra ny taonjato maro dia nanangana lehilahy sy vehivavy izay nifikitra tamin'ny Teniny Andriamanitra; nanohy ny fikatsahana ny Tenin'Andriamanitra bebe kokoa izy ireo.

Ahoana no ahazoantsika mamiratra eo amin'ny fiarahamonina misy antsika ka hitarika ny fahazavan'i Kristy? Manao izany ve isika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal