Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I KRISTY IRERY IHANY - FAHASOAVANA IRERY IHANY

Daty
Alarobia 01 May 2024

Vakio ny Efes. 2:8,9; Rôm. 3:23,24; Rôm. 6:23; sy ny Rôm. 5:8-10. lnona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny drafi-pamonjena?

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny famonjena. Mitarika antsika ny Fanahiny Masina hanaiky amin'ny alalan'ny finoana izay natolotr'i Kristy maimaimpoana tamin'ny alalan'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary. Nahafoy ny ainy tonga lafatra ho fanavotana antsika noho ny fahotana i Jesôsy, Ilay Zanak'Andriamanitra. Mitaky fankatoavana tanteraka ny fahamarinan'Andriamanitra. Ny fiainan'i Kristy tonga lafatra no misolo toerana ny fiainantsika tsy tanteraka. Ny lalan'Andriamanitra izay nodikaintsika dia manameloka antsika amin'ny fahafatesana mandrakizay. Mazava ny ambaran'ny Baiboly. Tsy nahatratra ilay idealin'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika isika noho ny safidintsika feno fahotana. Nanota isika. Raha ny herintsika samirery dia tsy ho vitantsika ny hanao ny marina sy ny mahitsy araka ny fitakian'llay Andriamanitra masina. Vokatr'izany dia ny fahafatesana mandrakizay no mendrika antsika. Misy vaovao mahafaly anefa. Manome toky antsika i Paoly apostoly "Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika" - Rôm . 6:23.

Omena antsika izany na tsy mendrika izany aza isika; raha amin'ny alalan'ny asa kosa no mety hahazoantsika izany, dia midika izany fa mendrika isika; raha misy fahamarinana iray misongadina mazava anefa avy ao amin'ny filazantsara, dia ity: tsy mendrika ny famonjena isika. Hitan'i Martin Luther sy ireo mpanavao fivavahana protestanta fa i Kristy, ary Izy irery ihany no loharanom-pamonjena. Ary teo no nanombohan'i Lotera nitory ny hafatry ny fahasoavan'i Kristy mahavonjy. Nirohotra nihaino ireo hafatra mahitsy sy manova fiainana nentiny ireo vahoaka. Toy ny rano mangatsiaka teo anivon'ny efitra karankainan'ny fiainan'izy ireo ny teniny. Voafatotry ny fombafomban'ny Eglizy tamin'ny vanim-potoana Antenantenany ny olona ka voatana ho andevon'ireo fahazarana efa naharitra taonjato maro, izay tsy nitondra fiainana ho an'ny fanahiny. Nikasika ny fo ireo hafatra avy ao amin'ny Baiboly nentin'i Lotera, ka fiainana maro no voaova. Talanjona i Lotera nahita ny fahatsaran'Andriamanitra, raha namaky ny Testamenta Vaovao. Gaga izy nahita ny fanirian'Andriamanitra hamonjy ny taranak'olombelona manontolo. Ny fomba fijerin'ny besinimaro, izay avy amin'ny fampianaran'ireo mpitarika fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia hoe: ny famonjena dia asan'olombelona amin'ny ampahany ary asan'Andriamanitra amin'ny ampahany. Hitan'i Lotera fa ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana dia ampy tanteraka ho an'ny olombelona rehetra. "izay mendrika antsika no natao tamin'i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory izy, mba hahazoantsika fahamarinana amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika izy, mba hahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy." — IFM, t. 16.

Famintinana ny filazantsara amin'ny fomba mazava tsara sady kanto tokoa izany! Dia ny hoe: azo hamarinina amin'ny alalan'ny fahamarinana "izay tsy nananantsika anjara" isika! Teny fikasana manao ahoana re izany! Raha asan'Andriamanitra an amin'i Kristy ny famonjena, inonu ny anjara tanan'ny asa tsara ataontsika eo amin'ny fiainana kristianina? Ahoana no hanamafisantsika ny maha-zavo-dehibe ny asa tsara eo amin'ny fanandramana iainantsika kanefa tsy manao izany ho fototry ny fanantenantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal