Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I WILLIAM MILLER SY NY BAIBOLY

Daty
Talata 14 May 2024

Tahaka ny nampiasan'Andriamanitra ireo mpanavao fivavahana protestanta mba hanamafy ny fahamarinana momba ny fanamarinana amin'ny finoana ao amin'i Kristy irery ihany, dia toy izany koa no nampiasany an'i William Miller hanamafy ny fahamarinana momba ny fiavian'i Kristy fanindroany. Raha nianatra ny Soratra Masina i Miller dia hitany i Kristy tia azy mihoatra noho izay mety ho takatry ny sainy. Nanomboka namaky ny Baiboliny, nanomboka tamin'ny Genesisy izy, niaraka tamin'ny penina sy ny fandraisana an-tsoratra, ary tsy nandroso ho amin'ny manaraka raha tsy efa nazava tsara taminy ny andalan-tSoratra novakiny. Tamin'ny fampitahana ny Soratra Masina amin'ny Soratra Masina no namelany ny Baiboly hanazava ny tenany.

Vakio ny Isa. 28:9,10; Ohab. 8:8,9; Jao. 16:13; sy ny 2 Pet. 1:19-21. Inona avy ireo fitsipika fanazavana ny Baiboly hitanao ao amin'ireo andininy ireo?

Nisokatra teo anoloan'i William Miller ireo zava-miafin'ny Baiboly arakaraka ny nampitahany ny Soratra Masina tamin'ny Soratra Masina. Nikatsaka izany toy ny fikatsaka harena miafina izy ka nandray ny haren'ny valin-kasasarany. Nanokatra ny sainy hahatakatra ny Tenin'Andriamanitra ny Fanahy Masina. Tamim-pahavitrihana tahaka ny nandinihany ireo lahatsoratra hafa tao amin'ny Baiboly ihany no nandinihany koa ny faminaniana.

Vakio ny Dan. 1:17; Dan. 2:45; 1 Pet. 1:10,11; sy ny Apôk . 1:1-3. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fahatakarana ireo faminanian'ny Baiboly?

Tsy mifono zava-miafina ireo famantarana ao amin'ny boky faminaniana. Nomen'llay Andriamanitra fitiavana antsika ny Teny faminaniany hanomanana antsika ho amin'ireo toe-javatra mafy indrindra hitranga tsy ho ela eto amin'ity tany ity. Takatr'i William Miller tsara fa ny faminaniana ihany no mahay manazava indrindra ny tenany. Ny Baiboly no manazava ireo famantarana ao amin'ny faminaniana. Maneho mpanjaka na fanjakana ny bibidia (Dan. 7:17,23). Ny rivotra dia maneho ny faharavana (Jer. 49:36). Ny rano dia maneho vahoaka na firenena maro (Apôk . 17:15). Ny vehivavy dia maneho ny fiangonana (Jer. 6:2, Efes. 5:22-32). lreo faminaniana momba ny fotoana ao amin'ny Daniela sy Apôkalipsy koa dia lazaina ara-tandindona, iray andro ara-paminaniana mira iray taona ara-bakiteny (Nom. 14:34, Ezek. 4:6). Rehefa nampihatra ireo fitsipika fanazavana ny Baiboly ireo i William Miller dia talanjona teo am-pahitana izay noheveriny ho fotoana hiverenan'i Kristy.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ho an'ny finoantsika ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ireny sary an'ohatra ara-paminaniana ireny? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal