Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO FANOHARANA NATAON'I JESÔSY

Daty
Sabotsy 20 July 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: 

Mar. 4:1-34; Jak. 1:21; Isa. 6:1-13; Sal. 104:12; Dan. 4:10-12.

Tsianjery:

"Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo. Fa izay manana no homena; ary ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy." - Mar. 4:24,25.

Ireo fanoharana ao amin'ny Mar. 4 no ifantohan'ny lesontsika amin'ity herinandro ity. Ny filazantsaran'i Marka no ahitana fanoharana vitsy indrindra amin'ireo filazantsara izay manana fitoviana betsaka (Matio, Marka ary Lioka).

An-taonany maro ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly no niady hevitra mikasika ny dikan'ireo fanoharana nataon'i Jesōsy sy ny fanazavana izany: ny fomba hanazavana sy ny hevitr'izany, ny antony nampiasan'i Jesôsy izany, ny lesona tian'ireny haseho, ary ny fomba tokony handraisana izany (ara-bakiteny na koa amin'ny maha sary an'ohatra azy), sns.

Mazava loatra fa tsy ho voavalintsika ao anatin'ny lesona amin'ity herinandro ity avokoa ireo fanontaniana rehetra ireo. Hodinihintsika izany, ary noho ny fahasoavan'Andriamanitra, dia ho takatsika ireo hevitra tian'i Jesõsy hambara amin'ny alalan'ireo fanoharana ireo.

Ahitana fanoharana dimy ao amin'ny Mar. 4: momba ny mpamafy, ny jiro, ny vata famarana, ny voa mitsimoka, ary ny voantsinapy. Saika mihodidina amin'ny fanoharana mikasika ny mpamafy io toko io. io fanoharana io no notantaraina voalohany, rehefa izay dia nambara ny antony nanaovany izany, ary manaraka izany ny fanazavana ilay fanoharana. Izany drafitry ny lahatsoratra misy dingana telo izany no hifantohan'ny lesontsika ho an'ny Alahady sy ny Alatsinainy ary ny Talata. Aorian'izay no hianarantsika ireo fanoharana ambiny, dia ny Alarobia sy ny Alakamisy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal