Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.

Daty
Alahady 29 June 2025

NY TONTOLON-KEVITRA ARA-TANTARA

Antsoina hoe shemot ny Eksodosy amin'ny teny Hebreo, izay midika ara-bakiteny hoe "anarana", araka ny teny fanombohana ao amin'io lahatsoratra fahiny io, manao hoe: "Ary izao no anaran'ny (...)". Voatanisa eo am-piandohana ny anaran'ny fianakavian'i Jakoba patriarika.

Vakio ny Eks. 1:1-7. Inona no fahamarinana manan-danja hita eto?

Manomboka amin'ny fampahatsiahivana ny fitahian'Andriamanitra ny bokin' ny Eksodosy. Rehefa nanorim-ponenana tany Egypta i Jakoba patriarika sy ny fianakaviany, dia olona 70 monja izy ireo (Gen. 46:27; Eks. 1:5). Kanefa "ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany." - Eks. 1:7. Ary tamin'ny fotoana nanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina, dia "lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy" izy ireo. - Eks. 12:37.

Vakio ny Eks. 1:8-11. Nanao ahoana ny toe-javatra niainan'ny Isiraelita tamin'ny fotoana nanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozana?

Nanjombona ny tantaran'ny zanak'Isiraely tao Egypta raha ny fanoritso-ritan'ny Soratra Masina azy. Manomboka amin'ny fanandevozan'ireo mpampiasa Egyptianina ny vahoaka hebreo, sy ny fampahoriana azy amin'ny asa an-terivozona, ny bokin'ny Eksodosy. Kanefa mifarana amin'ny fanatrehan Andriamanitra mitondra fiadanana sy faherezana, ao amin'ny tabernakely izay eo afovoan'ny tobin'ny Isiraelita (jereo ny Eks. 40), kosa izany. Aseho eo anelanelan'ireo tendro roa mifanohitra ireo ny fandresen'Andriamanitra. Niseho ny fandresen'Andriamanitra mahatalanjona ny herin'ny ratsy ratsy tamin'ny t nanafahany ny vahoakany tamin'ny fanandevozana, tamin'ny nampisarahany ny Ranomasina Mena, ary tamin'ny nandreseny ny tafika matanjaka indrindra tamin'izany fotoana izany.

Voalaza mazava ao amin'ny tantara fa "araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa." Eks. 1:12. Izany hoe, na inona na inona tetika ataon'ny olombelona, dia mbola Andriamanitra no manana ny fahefana faratampony ary hamonjy ny vahoakany, na dia toa tsy misy azo antenaina aza ny zava-misy, fara fahakeliny araka ny fijerin'ny olombelona.

"Nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa." - and. 8. Araka ity fitantarana ity, nahoana no tsy tokony hahatafandry mandry antsika ny toe-java-misy, na tsara toy inona aza ny fisehony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal