Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.

Daty
Alarobia 02 July 2025

TERAKA I MOSESY

Vakio ny Eks. 2:1-10. Inona no anjara asan'ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fiarovany teo amin'ny tantaran'ny nahaterahan'i Mosesy?

Tena mahaliana ny tantara momba ny nahaterahan'i Mosesy sy ny fiainany satria niaina tamin'ny andron'ny tarana-mpanjaka Egyptianina faha-18 malaza izy. I Thutmose III, izay antsoina hoe "Napoléon an'i Egypta", no anisan'ny Farao nalaza indrindra tany Egypta fahiny.

Na efa voatendry ho faty teo am-pahaterahana aza i Mosesy (jereo ny Eks. 1:22), dia teraka ho toy ny zanaka manokana izy (tob amin'ny teny hebreo, izay midika hoe "tsara"; Eks. 2:2). Tsy hatsaran-tarehy ivelany fotsiny no tondroin'io teny hebreo io. Ampiasaina io teny io, ohatra, mba hilazana ny asan'Andriamanitra nandritra ny herinandron'ny Famoronana, izay nanambarany fa "tsara" izay rehetra nataony, eny "tsara indrindra" aza (Gen. 1:4,10,31).

Io zaza "tsara" io, izay vao noforonin'Andriamanitra, no ho tonga olon-dehibe ary hitarika ny vahoaka Hebreo hiala amin'ny fanandevozana azy, araka ny drafitr Andriamanitra. Iza no nanampo ny hoavin'ity zazakely ity, indrindra tao anatin'ny toe-java-tsarotra toy izany? Kanefa hotanterahin'Andriamanitra ny teny nataony tamin'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba. Nanao fanekena tamin'izy ireo Izy fa homeny ny taranany ny Tany Nampanantenaina (Eks. 2:24,25). Ary ity zazakely tob ity no nampiasainy, am-polony taona maro taty aoriana, mba hanatanteraka izany.

Tao anatin'izany no nananganan'i Hatshepsut, andriambavy Egyptianina, an'i Mosesy ho zanany. Ny anarana hoe Mosesy dia avy amin'ny teny Egyptianina midika hoe "zanak'i" na "terak'i", toy ny hita amin'ny anarana hoe Ah-mose ("zanak'i Akh") na Thut-mose ("zanak'i Thoth"). Ny anarany amin'ny teny hebreo kosa dia Mosheh, izay midika hoe "nalaina tamin'ny". Voavonjy tamin'ny fomba mahagaga ny ainy rehefa "nalaina" tao amin'ny renirano izy.

Vitsy ihany no fantatsika momba ny fiainany nandritra ny fahazazany. Taorian'ny namonjena azy tamin'ny fomba mahagaga sy ny nananganan'i Hatshepsut azy ho zanany, dia niara-nonina tamin'ny tena fianakaviany i Mosesy nandritra ireo 12 taona voalohany niainany. Avy eo, nahazo ny fanabeazana egyptianina tsara indrindra i Mosesy, mba hanomanana azy ho tonga Faraon'i Egypta manaraka (Eks. 2:7-9; PM, ed. 1985, tt. 242,243). Mahavariana fa tsy nisy nilana azy ny ankamaroan'io fanabeazana io raha ny marina, ary nifanohitra tamin'izay tena zava-dehibe aza, dia ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny fahamarinany.

Inona avy ireo zavatra efa nianaranao, izay toa tsy nisy nilana azy na nanan-danja akory raha ny marina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal