TERAKA I MOSESY
Vakio ny Eks. 2:1-10. Inona no anjara asan'ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fiarovany teo amin'ny tantaran'ny nahaterahan'i Mosesy?
Tena mahaliana ny tantara momba ny nahaterahan'i Mosesy sy ny fiainany satria niaina tamin'ny andron'ny tarana-mpanjaka Egyptianina faha-18 malaza izy. I Thutmose III, izay antsoina hoe "Napoléon an'i Egypta", no anisan'ny Farao nalaza indrindra tany Egypta fahiny.
Na efa voatendry ho faty teo am-pahaterahana aza i Mosesy (jereo ny Eks. 1:22), dia teraka ho toy ny zanaka manokana izy (tob amin'ny teny hebreo, izay midika hoe "tsara"; Eks. 2:2). Tsy hatsaran-tarehy ivelany fotsiny no tondroin'io teny hebreo io. Ampiasaina io teny io, ohatra, mba hilazana ny asan'Andriamanitra nandritra ny herinandron'ny Famoronana, izay nanambarany fa "tsara" izay rehetra nataony, eny "tsara indrindra" aza (Gen. 1:4,10,31).
Io zaza "tsara" io, izay vao noforonin'Andriamanitra, no ho tonga olon-dehibe ary hitarika ny vahoaka Hebreo hiala amin'ny fanandevozana azy, araka ny drafitr Andriamanitra. Iza no nanampo ny hoavin'ity zazakely ity, indrindra tao anatin'ny toe-java-tsarotra toy izany? Kanefa hotanterahin'Andriamanitra ny teny nataony tamin'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba. Nanao fanekena tamin'izy ireo Izy fa homeny ny taranany ny Tany Nampanantenaina (Eks. 2:24,25). Ary ity zazakely tob ity no nampiasainy, am-polony taona maro taty aoriana, mba hanatanteraka izany.
Tao anatin'izany no nananganan'i Hatshepsut, andriambavy Egyptianina, an'i Mosesy ho zanany. Ny anarana hoe Mosesy dia avy amin'ny teny Egyptianina midika hoe "zanak'i" na "terak'i", toy ny hita amin'ny anarana hoe Ah-mose ("zanak'i Akh") na Thut-mose ("zanak'i Thoth"). Ny anarany amin'ny teny hebreo kosa dia Mosheh, izay midika hoe "nalaina tamin'ny". Voavonjy tamin'ny fomba mahagaga ny ainy rehefa "nalaina" tao amin'ny renirano izy.
Vitsy ihany no fantatsika momba ny fiainany nandritra ny fahazazany. Taorian'ny namonjena azy tamin'ny fomba mahagaga sy ny nananganan'i Hatshepsut azy ho zanany, dia niara-nonina tamin'ny tena fianakaviany i Mosesy nandritra ireo 12 taona voalohany niainany. Avy eo, nahazo ny fanabeazana egyptianina tsara indrindra i Mosesy, mba hanomanana azy ho tonga Faraon'i Egypta manaraka (Eks. 2:7-9; PM, ed. 1985, tt. 242,243). Mahavariana fa tsy nisy nilana azy ny ankamaroan'io fanabeazana io raha ny marina, ary nifanohitra tamin'izay tena zava-dehibe aza, dia ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny fahamarinany.
Inona avy ireo zavatra efa nianaranao, izay toa tsy nisy nilana azy na nanan-danja akory raha ny marina?