Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.

Daty
Alakamisy 02 April 2026

Ny fitoerana ao amin'i Kristy indraindray no zavatra sarotra tanterahina indrindra. Mety fantatsika tokoa fa izany no ilaintsika, saingy mipaoka antsika ny riakan'ny rotorotam-piainana, ka manjary sarotra loatra ny fahitantsika izany. Toy ny enta-mavesatra indrindra no fahitana ny fanarahana an'Andriamanitra, indrindra ho an'ireo izay mahatsapa ho teren'ny hafa hanaraka an'i Jesosy. Ny karazam-pivavahana toy izany dia mety ho toy ny asa an-terivozona, satria mifantoka amin'izay miseho ivelany fotsiny fa tsy amin'izay ao am-po. Tsy izany velively no irin'Andriamanitra; fifandraisana miorina amin'ny fitia mifamaly fa tsy amin'ny fitsipika fotsiny no iriny; fifandraisana araka ny safidy (Izy no nifidy anao voalohany) izay mifototra amin'ny fitiavana sy ny safidy malalaka.

Mety mifandray amin'ny foto-boaloboka ihany isika indraindray saingy tsy tena miorim-paka ao Aminy ny momba antsika manontolo. Mety mankany am-piangonana isika, mivavaka ary manao izay fantatsika fa tokony hatao, saingy karakaina ny ao anatintsika. Raha ny marina dia tsy haintsika ny mitoetra ao amin'i Jesosy amin'ny herintsika samirery, tahaka ny tsy ahazain'ny sampana iray mikambana amin'ny voaloboka. Andriamanitra no tia antsika taloha, Izy no nanao ny dingana voalohany. Ary ny valintenintsika dia setrin'izay efa nataon'Andriamanitra ho antsika mandrakariva.

Raha mijery ny fomba iainan'ny voaloboka mandritra ny ririnina ianao, dia hahita zava-mahagaga: mihamaina ny tsimokazo eny amin'ny sampany ary misaraka amin'ny fakany mandra-pahatonga ny lohataona. Mitroka rano ny faka rehefa mafana ny tany, ary mamakivaky ny taho ny tsiron-kazo, mahatratra ireo tsimokazo izany ary manomboka maniry izy ireo. Tsy hisy mihitsy ny fitomboana raha tsy mamakivaky ny voaloboka ny tsiron-kazo.

Ny tsiron-kazo ao anatin'ny voaloboka dia toy ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainantsika. Mety ho toy ny sampana maty isika, kanefa rehefa mifidy mifidy ny hanokana fotoana hiarahana amin'Andriamanitra isika, dia mikoriana ao anatintsika tahaka ny tsiron-kazo avy any amin'ny faka ny Fanahy Masina ary mitondra aina ho antsika, ka manomboka mitombo isika. Tahaka ny tokony hanaovantsika safidy mazava ny hitoetra ao amin'i Jesosy no tsy maintsy angatahantsika koa ny hikorianan'ny Fanahy Masina (ny tsiron-kazo) ao amin'ny fiainantsika.

Vakio miaraka amin'ny Jer. 31:3;-1 Jao. 4:19 ary ny Rom. 8:9-11 ny Lio. 11:13. Inona no hafatra manan-danja ho antsika eto?

Ny Fanahy Masina no miantoka ny fitomboantsika sy ny firoboroboantsika ary ny fikambanantsika amin'ny Voaloboka. Ilaintsika ny mangataka isan'andro ny Fanahy Masina, izay miaraka amintsika eto an-tany mba:

  • Ho Mpanampy antsika (Jao. 14:16-18, DIEM)
  • Hanambara an'i Jesosy amintsika (Jao. 15:26)
  • Hampiaiky ny fahotantsika (Jao. 16:7,8)
  • Hitarika antsika ho amin'ny marina rehetra (Jao. 16:13)

Avereno vakina io lisitra io. Inona no fiantraikan'ny anjara asa tsirairay tanterahin'ny Fanahy Masina eo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal