Vakio ny 1 Kor. 1:11-13; 1 Kor. 4:14; 1 Kor. 5:11; 1 Kor. 7:1; ary 1 Kor. 14:37,40. Vakio koa ny 2 Kor. 1:12, 2 Kor. 2:9, 2 Kor. 11:3, ary 2 Kor. 13:10. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny antony nanoratan'i Paoly epistily ho an'ny Korintianina?
Tany Efesosy i Paoly no nanoratra ny 1 Kôr. (1 Kôr. 16:5-9). Ny fianakavian'i Kloa no nitondra tatitra tany aminy fa tsy tsara ny toe-draharaha tany Korinto (1 Kôr. 1:11). Resahin'i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 1-6 ny amin'ireo olana notantarain'i Kloa. Anisan'izany ny fisaraham-bazana, ny fahalotoam-pitondrantena, ny fifampitoriana any amin'ny fitsarana, ary ny fijangajangana. Naharay taratasy misy fanontaniana manokana koa i Paoly (1 Kôr. 7:1). Manomboka eo amin'ny toko faha-7 ka hatrany amin'ny farany no amaliany izany. Ireo fanontaniana ireo dia mikasika ny fanambadiana, ny fisaraham-panambadiana, ny maha-mpitovo, ny hena natao fanatitra tamin'ny sampy, ny fitondrantena mandritra ny fanompoam-pivavahana, ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana, ary ny fiheveran-diso momba ny fitsanganana amin'ny maty. Feno olana sy tsy mbola ampy fahamatorana ny fiangonana tao Korinto. Mety manana olana maro ny fiangonana misy anao, nefa azo inoana fa mbola ratsy kokoa noho izany ny fiangonana tany Korinto.
Ny epistily voalohany nosoratan'i Paoly ho an'ny Korintiana dia mihatra amin'izao androntsika izao koa. Rehefa dinihana, tsy mitovy amin'izany rahateo ve ny olana any amin'ny ankamaroan'ny fiangonantsika ankehitriny, amin'ny ambaratonga sasany? Maro ny hafatra ho antsika ao amin'io epistily io. "Anisan'ny feno ventin-kevitra indrindra, sady feno fananarana ary feno fitiavana tokoa tamin'ny epistily rehetra nosoratany" izany - VM, t. 263.
Mety ho nanoratra epistily telo na efatra ho an'ny Korintianina i Paoly (ampitahao amin'ny 2 Kôr. 10:9). Nanoratra epistily voalohany izy talohan'ny 1 Kôr. (1 Kôr. 5:9), saingy very izany. Talohan'ny 2 Kôr., dia nanoratra epistily antsoin'ireo mpandinika hoe "epistily hentitra" izy (2 Kôr. 2:3,4,9; 2 Kôr. 7:8), nefa very koa izany. Misy ireo mihevitra fa ny 1 Kôr. no tiany hambara amin'izany, na hoe voatahiry ao amin'ny 2 Kôr. ny ampahany amin'io epistily io.
Ao amin'ny 2 Korintiana no ahafantarantsika fa nisy fiantraikany tamin'ireo mambra tao Korinto ny kolontsaina manodidina. Nomen'izy ireo lanja ny zavatra toy ny fifaninanana, ny fahefana, ary ny harena; izay rehetra mety ho olana ho an'ny fiangonantsika ankehitriny koa. I Paoly kosa niezaka ny hametraka kolontsaina mifantoka amin'i Kristy, fomba fijery ara-pilazantsara hijerena izao tontolo izao. Zava-dehibe ilaintsika ankehitriny koa izany fomba fijery izany.
Vakio indray ny 2 Kor. 2:4. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fiahian'i Paoly ireto olona ireto? Manao ahoana ny toe-pontsika amin'ny hafa raha mitaha amin'izany?