Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".

Daty
Alarobia 01 July 2026

Vakio ny Asa. 18:4-8. Inona no vokatry ny asa fitorian'i Paoly?

Tsy nahitam-bokatra araka ny nantenainy ny asan'i Paoly teo amin'ny Jiosy tany Korinto. Tsy maintsy niatrika fanoherana sy fankahalana izy. "Nanohitra sy niteny ratsy ireo-Asa. 18:6, hoy ny Baiboly. Rehefa olombelona no iantefan'ilay matoanteny grika hoe blasphemeő ("miteny ratsy"), dia midika izany fa alaim-baraka sy haratsina izy. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia nikasa ny handoto ny lazan'i Paoly izy ireo, sy hanakana ny ezaka misionera ataony tsy hahomby.

Soa ihany fa tsy very maina ny asan'i Paoly tao amin'ny synagoga tany Korinto. Andriamanitra rahateo tokoa no tompon'ilay iraka. Nanome toky Izy hoe: "ny teniko (...) tsy hiverina amiko foana" - Isa. 55:11. Tsy nanampo ny Jiosy sasany fa hanaiky an'i Jesosy ho Mesia ary hatao batisa i Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany (Asa. 18:8). Tsy izy ireo ihany, fa "maro koa ny Korintiana, rehefa nandre, dia nino ka natao batisa" - Asa. 18:8. Azo inoana fa noho ny hery miasa mangina avy amin'i Krispo koa izany.

Vakio ny Asa. 18:9, 10. Inona no azontsika lazaina momba ny fihetseham-pon'i Paoly manoloana ny olana natrehiny tao Korinto? Inona no nataon'Andriamanitra mba hampaherezana ny mpanompony?

Vantany vao niala tao amin'ny synagoga i Paoly, dia nahazo fampaherezana. I Kristy mihitsy no niteny taminy tamin'ny alalan'ny fahitana ny alina, izay mampahatsiahy ny ao amin'ny Isa. 41:10: "Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho". Niaiky tokoa i Paoly "azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be" izy tany Korinto (1 Kôr. 2:3). Tsy maintsy niala tany Beria nankany Atena izy noho ny fanoherana mafy. Mety ho nihevitra izy fa tsy maintsy handao an'i Korinto koa noho io antony io ihany: ny fanoherana mafy. Saingy tsy nitranga izany tamin'ity indray mandeha ity. Hoy i Jesosy taminy: "Manana olona maro amin'ity tanana ity Aho" -Asa. 18:10. Ary i Paoly no fitaovana nampiasainy hitondra ny vaovao mahafalin'ny famonjena ho azy ireo.

Vakio ny Isa. 41:10. Inona avy Ireo teny fikasana mahafinaritra omena antsika ao amin'io andalan-tSoratra Masina fohy lo? Inona no tokony ho vokatr'izany eo amin'ny fialnanao isan'andro?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal