NY TSIAMBARATELON'NY FAHOMBIAZANA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Deo. 18:15-22, Jos. 1; Heb. 6:17,18: Efes. 6:10-18; Sal. 1:1-3; Rom. 3:31.
Tsianjery: "Koa mahereza sy matanjaha tsara hianao, hitandremanao, hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina hianao amin'izay rehetra alehanao." Jos. 1:7
Nampianatra ny fomba fanehoana fihetsehampo sy hevitra amin'ny alalan'ny mozika Ingahy Benjamin Zander, lehiben'ny mpitendry zava-maneno tao amin'ny Boston Pilharmonic Orchestra. Tamin'ny fotoana iray nampianarany, dia tsikariny ny tebitebin'ireo mpianatra teo am-piatrehana ny fanombanana ny fahaizan'izy ireo amin'ny lafiny mozika. Mba hampahazo aina ireo mpianatra sy hanomezana azy ireo fotoana hanehoany ny fahaizany rehetra, dia nambaran'Ingahy Zander fa homeny ny naoty ambony indrindra ny mpianatra rehetra amin'ny andro voalohany anatrehan'izy ireo io fampianarana io. Tsy tanjona natao hotratrarina io naoty ambony indrindra io fa natao handrisika ny fitomboana sy ny fivelaran'izy ireo. Ny hany notakiny tamin'ireo mpianatra dia ny hanoratan'izy ireo taratasy mandritra ireo herinandro roa voalohany ao anatin'ny enim-bolana, saingy ny datin'andro farany hanatrehan'izy ireo ilay taranja no nasainy napetraka eo amin'ilay taratasy. Taratasy manazava ny antony mahatonga azy ireo ho mendrika ny hahazo ilay naoty ambony izany.
Miresaka momba ny fahafahan'ny zanak'Isiraely miaina fiainam-baovao ny bokin'i Josoa. Efa tsy eo intsony i Mosesy, izay nanamarika 40 taona teo amin'ny tantaran'ny Isiraely. Efa tapitra ny fanafahana tany Egypta sy ny fivezivezena tany an'efitra, izay mampalahelo fa fikomiana sy hamafisan-katoka no nanamarika izany. Taranaka vaovao, izay vonona ny hankatò an'i Jehovah, no efa hiditra ao amin'ilay Tany Nampanantenaina izao; tsy tanjona natao hotratrarin'izy ireo izany fa zava-misy azony niainana sy nandrisika azy hitombo.
Andeha hohalalinintsika ny fomba nanokafan'Andriamanitra toko vaovao teo amin'ny fiainan'ny Isiraely sy ny fahafahany manao toy izany koa eo amin'ny fiainantsika.
*Famerenana ny lesona ny sabata 04 Oktobra.