FIANARANA FANAMPINY
Vakio "Ny nitana an'i Jordana" ao amin'ny PM, tt. 480, 481 sy "Ny fidirana tao amin'ilay tany nampanantenaina" ao amin'ny TF, t. 171.
"Izao no lazain'i Jesôsy amiko ao amin'ny teny fikasany sy ny fampitandremana nataony. Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra an'izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy tokana, mba tsy ho very aho amin'ny finoako Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Tokony ho fanandramana ataoko ny fanandramana voalaza ao amin'ny tenin’Andriamanitra. Ny fivavahana sy ny teny fikasana, ny fitsipika sy ny fampitandremana, dia ahy. (...) Rehefa raisin'ny finoana toy izany ny foto-kevitry ny fahamarinana ka voatsakotsakony dia manjary isan'ny tena izany, sy hery manosika ao amin'ny fiainana. Ny tenin'Andriamanitra raisina ao amin'ny fanahy, dia mamolavola ny fisainana ka miditra ao amin'ny fampitomboana ny toetra amam-panahy." IFM, t. 412.
"Tsy misy zavatra hafa tokony hifantohana bebe kokoa, sy ombieny ombieny, ary atao mafy orina ao an-tsaina ankoatra ny hoe: tsy mety ho vitan'ny olombelona lavo na oviana na oviana ny ho mendrika amin'ny alalan'ny asa tsara ataon'ny tenany. Avy amin'ny finoana an'i Jesôsy Kristy irery ihany ny famonjena." - FA, t. 13.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Na dia samy hafa amin'ny antsika aza ny toe-javatra nisy teo amin'ny fiainan'i Josoa sy ny fanandramany, inona kosa ny fitsipika ara-panahy azontsika sintonina avy amin'ny fiainany sy ampiharina eo amin'ny fiainantsika? Na izany aza, nahoana isika no tokony hihazona an-tsaina mandrakariva ny tontolon-kevitra rehefa mampitaha zavatra roa?
2. Ifanakalozy hevitra ny fifandraisan'ny teny fikasan'Andriamanitra sy ny fankatoavantsika Azy. Ahoana no mahatonga izany mifameno? Inona no loza mety hananontanona antsika amin'ny fanindrahindrana ny iray ka hanadinoana ny ankilany? Izany hoe, inona no loza miseho rehefa asongadina loatra ny lalàna ka takona ny fahasoavana? Na koa asongadina loatra ny fahasoavana ka takona ny lalàna?
3. Araka ny lesona tamin'ity herinandro ity, ahoana no hamaritanao ny fahombiazana araka ny fomba fijerin'ny Baiboly? Aiza ho aiza ny toeran'ny fanambinana ao amin'ny famaritan'ny Kristianina ny atao hoe fahombiazana?
4. Alao sary an-tsaina izay mety ho fihetsehampon'i Josoa taorian'ny nahafatesan'i Mosesy, inona ny teny fikasana nomen'Andriamanitra azy izay azo antoka fa nanohana azy tokoa teo anatrehan'ny andraikitra goavana nosahaniny? (Vakio ny Jos. 1:5).