MPANDOVA NY TENY FIKASANA
Ambaran'i Jehôvah amin'i Josoa ao amin'ny Jos. 1:2,3 fa omeny azy ireo ny tany. Etsy ankilany anefa, dia nolazainy fa efa nomeny azy ireo izany. Inona no hevitr’izany?
Fanomezana avy amin'i Jehôvah ny tany; Izy no tena Tompon’izany. Ao amin'ny Jos. 1:2,3, dia filazam-potoana roa samy hafan'ny matoanteny "manome" no ampiasaina, izay maneho taratra lafin-javatra roa manan-danja amin'ny fandovana ny tany. Miresaka momba ny fanomezan’Andriamanitra ny tany ny hevitra iray. Ireo faritra tany atsinanan'ny onin'i Jordana ihany no nonenan'ny Isiraely fa tsy mbola azony kosa ny ankamaroan'ireo faritra tao amin'ny Tany nampanantenaina.
Maneho zavatra efa tanteraka ny endriky ny matoanteny ao amin'ny Jos. 1:3. izay toa milaza fa efa nomena azy ireo ny tany. Rehefa Andriamanitra no lazainan'ny fehezanteny tahaka izany, dia antsoina hoe efa "tanteraka ara-paminaniana" izany asa izany. Ary izany dia satria izay ampanantenain'Andriamanitra ao amin'ny Teniny dia toe-javatra azo antoka fa zava-misy ho tanteraka tokoa.
Mpisolo tena milaza hamaroana no hita ao amin'ny and. 3, "faladianareo" sy "anareo", koa tsy ho an'i Josoa irery ihany ny teny fikasana nomena teto fa ho an'ny vahoaka Isiraely iray manontolo. Ny filazana ny teny fikasana nomena an'i Mosesy dia maneho ny fitohizan'ny asan'Andriamanitra.
Miverimberina imbetsaka ao amin'ny toko voalohany koa ny teny hoe kol, "rehetra." Ny fisongadinan'io teny io dia maneho ny fitambaran-javatra izay nanan-danja tokoa mba hahatrarana ny tanjona napetraka teo anoloan'i Josoa. Tsy maintsy misy firindrana tsara eo amin'Andriamanitra sy i Josoa ary ny vahoaka Isiraely mba hahitana fahombiazana eo amin'ny fakana ny Tany Nampanantenaina.
Vakio ny Jos. 1:4-6 sy ny Heb. 6:17,18. Tamin'izany fotoana izany dia mbola teny fikasana ihany ny Tany nampanantenaina, nefa nantsoin'Andriamanitra hoe lova izany. Midika inona ny hoe mpandova ny teny fikasan’Andriamanitra?
Tsy misy majika akory ao amin'ny teny fikasan'Andriamanitra; tsy manan-kery manokana hahatanteraka ny tenany izy ireny. Ny fanatrehan'Andriamanitra, izay milaza izao teny izao, no antoka ho amin'ny fahatanterahan'ireny: "homba anao Aho." Manan-danja tokoa ny ny fanatrehan'i Jehôvah mba hitohizan'ny fahaveloman'ny zanak'lsiraely. Raha tsy eo izany, dia ho tahaka ny firenena rehetra ihany izy ireo, tsy ho nanana ny fiantsoana manokana sy ny maha-izy azy na koa ny iraka manokana nankinina taminy (Eks. 33:12-16). Ny fanatrehan'Andriamanitra no hany nilain'i Josoa mba hahitana fahombiazana.
Tsy mbola miova izany ankehitriny; izany no mahatonga antsika manana ny teny fikasan'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 28:20.