Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: TIA TSY VOZONANA ANDRIAMANITRA - Nofantsihana ho an’ny olona

Daty
Alakamisy 02 January 2025

Manasa ny rehetra hiditra amin’ny fifandraisana fitiavana Aminy Andriamanitra, saingy ireo izay manaiky ny fanasana ihany no mahazo ny valiny mandrakizay. Araka ny hitantsika tamin’ny fanoharana momba ny fampakaram-bady, dia maro amin’ireo nasain’ilay mpanjaka no “tsy nety ho avy” (Mat. 22:3, NKJV).

Araka izany, talohan’ny namantsihana Azy, dia nitaraina i Kristy hoe: “Ry Jerosalema, Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho any aminao! Impiry Aho no naniry hanangona ny zanakao tahaka ny akohovavy manangona ny zanany eo ambanin’ny elany, nefa tsy nety ianareo!” (Mat. 23:37, NKJV). Tian’i Kristy ny hanangona azy ireo, fa tsy nety izy ireo. Ny matoanteny grika iray ihany no ampiasaina eto amin’ny hoe “mila” (thelo), izay midika hoe fanirian’i Kristy ny hamonjy azy ireo sy ny tsy fitiavan’izy ireo ho voavonjy (ary mitovy amin’ilay voambolana ao amin’ny Mat. 22:3).

Na izany aza, dia mbola nankany amin’ny hazofijaliana i Kristy noho ireo olona ireo sy ho antsika. Fitiavana mahagaga! Raha tokony ho fahafatesana no mendrika noho ny fahotan’ny olombelona, dia Andriamanitra tenany (ao amin’i Kristy) no nandoa ny vidiny ary nanao lalana hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana tapaka teo an-danitra sy ny tany. Mandritra izany fotoana izany, Izy dia mbola manohy manome ny fitiavany ho antsika, na dia tsy manana adidy hanao izany afa-tsy noho ny safidiny an-tsitrapo aza Izy.

Vakio ny Jaona 10:17–18, ampitahao amin’ny Gal. 2:20. Inona no hafatra amintsika ato amin’ireo andininy ireo?

Ao amin’ny fanehoana faratampony ny fitiavan’Andriamanitra—dia ny hazofijaliana—dia hitantsika fa nanolotra ny ainy ho antsika tamin’ny sitrapony manokana i Kristy. Nataony tamin’ny fandraisana andraikitra avy amin’ny tenany izany. Tsy nisy naka ny ainy taminy; natolony maimaim-poana izany, araka ny drafitra fanavotana izay nifanarahana tany an-danitra talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.

“Ny drafitra fanavotana antsika dia tsy noheverina taorian’ny fahotan’i Adama, fa efa nambarana tao amin’ny ‘zava-miafina izay efa nafenina tamin’ny fotoana mandrakizay’ (Rom. 16:25, R.V.). Izy io dia fanehoana ny foto-kevitra izay efa fototry ny seza fiandrianan’Andriamanitra hatramin’ny fotoana mandrakizay. Hatramin’ny voalohany, Andriamanitra sy Kristy dia efa nahalala ny fikomian’i Satana sy ny fahalavoan’ny olombelona tamin’ny alalan’ny fitaka nataon’ilay mpikomy. Tsy nandidy Andriamanitra ny hisian’ny ota, fa efa nahita mialoha ny fisiany, ary nanao lalana hifanarahana amin’izany loza izany. Tena lehibe ny fitiavany ny tontolo, ka nifanaiky Izy ny hanome ny Zanany Lahitokana mba ‘izay rehetra mino Azy tsy ho very, fa hanana fiainana mandrakizay’ ” (Jaona 3:16).—Ellen G. White, The Desire of Ages, p. 22.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal