Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy

Daty
Alarobia 03 December 2025

ILAY TENA JOSOA, ILAY TENA IZY

Tsy maintsy dinihina amin'ny maha tandindona azy ny tantaran'i Josoa. Tena zava-nitranga teo amin'ny tantara ireo ady notarihin'i Josoa, ary mandrafitra ny ampahany manan-danja amin'ny tantaran'ny Isiraely. Ny hahatonga ny Isiraelita hanorim-ponenana ao amin'ny Tany Nampanantenaina no tanjon'ireo ady ireo, mba hahafahan'izy ireo misitraka ny lova natokana ho azy amim-piadanana sy manangana fiarahamonina vaovao miorina amin'ny foto-kevitry ny lalàn'Andriamanitra.

Taty aoriana, ireo mpanoratra ny TT, toa an'i Isaia, dia naneho ny asan'ny Mesia ho toy izao: "hanangana ny tany indray sy hampandova [ny vahoakany] ny lova izay efa rava [Izy]" - Isa. 49:8; ary ampiasainy amin'izany ny fiteny izay miverina matetika ao amin'ny bokin'i Josoa. Tahaka ny asa nataon'i Josoa tamin'ny fizarana ny tany ho an'ny Isiraelita, dia toy izany koa ny Mesia, Izay aseho ho Josoa vaovao; Izy no manome lova ara-panahy ho an'ny Isiraely vaovao.

Vakio ny Heb. 3:7--4:11. Ahoana no hanamafisan'ny TV fa i Josoa, ilay Mosesy vaovao, dia tandindona maneho an'i Jesôsy Kristy mihitsy?

Maneho lafiny maro amin'ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy Kristy ireo mpanoratra ny TV, izay mifanaraka amin'ny asa nataon'i Josoa. Tahaka ny nidiran'i Josoa tao amin'ny tany Kanana taorian'ny 40 taona tany an'efitra, dia toy izany koa Ilay "Josoa tena izy", dia i Jesôsy : nanomboka ny asa fanompoany teto an-tany Izy taorian'ny 40 andro nakana fanahy azy tany an'efitra (Mat. 4:1-11; Lio. 4:1-13) ary nanomboka ny asa fanompoany tany an-danitra rehefa afaka 40 andro teto amin'ity efitry ny tany misy antsika ity (Asa. 1:3, 9-11; Heb. 1:2).

Taorian'ny batisan'i Jesôsy tao amin'ny Ony Jordana (ny "niampitany ny Jordana" [Mat. 3:13-17, Mar. 1:9-11]), dia naka teny avy ao amin'ny Sal. 2:7 sy ny Isa. 42:1 ireo mpanoratra ny filazantsara, salamo momba ny Mesia sy hira momba Ilay Mpanompon'i Jehovah mijaly (Mat. 3:17; Mar. 1:11; Lio. 3:22). Noho izany, tamin'ny batisany, dia aseho ho Ilay Andriamanitra mpiady mahery i Jesôsy - Izay hiady ny adin'i Yahweh amin'ny herin'ny ratsy amin'ny alalan ny fiainany feno fanetren-tena izay hanekeny hatramin'ny fahafatesana aza. Ny fiainany sy ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana no nahatonga an'i Satana ho voaroaka, nitarika ny fandresena ireo fahavalontsika ara-panahy, nanolotra fitsaharana ara-panahy ho an'ny vahoakany, ary nanome lova ho an'ny voavotra (Efes. 4:8; Heb. 1:4; Heb. 9:15).

Inona no hevitr'izany hoe manana "fitsaharana" isika ao amin'izay nataon'i Kristy ho antsika? Izany hoe, ahoana no hananantsika toky fa efa nandresy an'i Satana ho antsika i Jesôsy ?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal